Barea

Mitombo isa ireo mpilalao tsy manana klioba


  • Alarobia 07 Aogositra 2024

Mety ho voatazona amin'ny teniny ve ny mpanazatra Roro Rakotondrabe

raha nilaza fa tsy haka izay tsy manana klioba ? Fanontaniana saro-baliana ihany satria ny heverina ho tompon-toerana indray no mbola mitady klioba hilalaovana toa an' i Sonny Laiton izay tsy nohavaozin'ny Auxerre ny fifanarahany. Raha mieritreritra indray hitady solony dia Teva Gardies no akaiky indrindra saingy tsy ao amn'ny Paris FC intsony izy. Raha alefa lavidavitra indray anefa dia mbola tsy manana klioba intsony i Mathyas Randriamamy. Ny tena mety ho olana dia mikasika ireo roalahy any Belgique satria raha mbola tsy milalao i Marco Ilaimaritra dia mbola mitady klioba koa i Loic Lapoussin. Hiaraha-mahita anefa ny zavatra ataon'izy roalahy rehefa ao anaty Barea. Isan'ny tsy manana klioba koa Ibrahim Amada sy Adtien Trebel ary Sylvio Oussero ary Sandro Tremoulet izay tsy hita tabilao ary toy izany koa i El Hadary. Ny eo am-pelatanana anefa dia mbola baraingo daholo ihany afatsy i Rayan Raveloson, Thomas Fontaine, Kendji Van Boto ary Clément Couturier dia lasa any Frantsa ary milalao amin'ny klioba diviziona fahatelo. Ny sisa mazava ho azy dia ireo mpiandry tanana toa an'i Tendry sy Andy ao amin'ny Disciples ary Rado Fanalamanga raha tsy hoe noho ny hamehana dia hamoaka sary hafa indray i Roro Rakotondrabe. Asa aloha fa toa mampanahy ihany ny tohiny raha tsy hoe tena avo lenta ireo mpilalao vaovao izay ho trandrahan'ny mpanazatra any Frantsa ny 12 sy 13 aogositra ho avy izao.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT