Sport

Barea Milaza ho vonona i Boualem Mansour


  • Alakamisy 27 Aprily 2023

Iza izany no hanazatra ny Barea amin'ireo lalao roa farany hihaonana amin'ny Angola sy Ghana.

Io no fanontaniana mipetraka amin'ny maro izay mbola tsy ahitana valiny Efa nisy resaka ny mikasika an'i Flora Fabiano ilay mpanampy an'i Eric Rabesandratana sady namana akaiky an'i Jocelyn Razafimamonjy izay filoha misahana ny ara-barotra eo anivon'ny FMF saingy namaly ilay Portuguais ity fa aleony miandry izay mpitondra vaovao lany vao manapa-kevitra satria zavatra maharitra no ilainy. Ary raha mbola tsy nahenoina feo i Eric Rabesandratana dia nazava ny tenin'i Boulaem Mansour raha namaly ny zavatra navoakan'i Charlot Andriamady izy izay nilaza hoe tokony ho ity Alzerianina ity no mandray ireo lalao roa farany satria efa mahafantatra ireo mpilalao maro izy I Boulaem Mansour izao no naharesy lahatra ilay kintana malagasy ao amin'ny Olympique de Marseille Sayha Seha handrafitra ny U23 saingy nisy sampona kely fotsiny ny fahatongavany Inoana anefa fa ho afaka izy raha mikasika ny Barea A satria ao anatin'ny varavarankelin'ny FIFA ireo hanaovana ny lalao ka tsy misy klioba afaka hotazona ny mpilalaony. Heverina fa afaka mandresy lahatra an'i Ludovic Ajorque koa ireo olon'ny UFICASM sy Solo Raharijaona satria dia mbola tena ao abaty hetony tokoa ity zanaky ny mpiara-nilalao tamin'ny DTN Rado Rasoanaivo. Vao tamin'ny alahady teo i Mayence no nandresy ny Bayern 4 noho 2 ka i Ajorque no nahatafiditra ny baolina voalohany. Ary raha ny hoe hilalao any amin'ny ekipa frantsay no antony tsy hilalaovana dia mety efa tampina ny daomy satria efa manana ny vonona Ingahy Didier Deschamps raha tsy hiteny afatsy Kylian Mbappé, Randal Kolo Muani, Marcus Thuram sy Kingsley Coman hatao mpanafika izy. Anjaran'i Rado Rasoanaivo izany no mandresy lahatra an-drainy handresy lahatra ny zanany. Raha olona ohatra ny Ajorque mantsy no fahanan'i Rayan Raveloson avy aty aoriana dia ho hafahafa ihany. Ary na efa fantatra fa tsy ho tafita aza dia mba manamboatra ny ho avy izao dia izao. Alefa Barea !
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT