Sport

Barea milalao any Eoropa Samy niverina masiaka avokoa


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Azo lazaina ho samy niverina masiaka taorian’izay fahamehana ara-pahasalamana izay ireo kintan’ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra mila ravinahitra atsy Eoropa.

 

 

 

Bolida na Lalaina Nomenjanahary sy ny Paris FC nandresy tamin’ny isa mazava an-tanin’olona, 0 noho 3, ny Chambly teo amin’ny fiverenan’ny tompondakan’i Frantsa, divizionina faharoa. Marco Ilaimaharitra sy ny RCS Charleroi koa nandresy hatrany tao anatin’ireo lalao miisa 3 nataony farany ary ny alin’ny alahady teo izy ireo dia nandresy mazava tao an-tanin’olona ihany koa ny Oud-Heverlee Leuven, tamin’ny isa 1 noho 3. Ry Marco ankehitriny no mitana ny lohalaharana eo amin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina voalohany ao Belzika. 3 sy 1 toy izany ihany koa no nandresen-dry Jerome Mombris sy Jeremy Morel ao amin’ny FC Lorient ny ekipan’i Strasbourg eo amin’ny tompondakan’i Lafrantsa, divizionina voalohany ny alahady teo. Namiratra I Morel, izay 36 taona, satria dia saika azony avokoa ny 50%n’ireo fifanandrinany ary tafita ihany koa ny 88,06%n’ireo tolotra nataony. Laharana faha 3 vonjimaika eo amin’ny ligue 2, frantsay hatreto no misy an-dry Rayan Raveloson sy ny ekipany ao amin’ny Estarc Troyes rehefa nandresy 2 noho 0 an’I Le Havre. Mpilalao mendrika izy tamin’ity fihaonana ny alatsinainy teo ity satria nahazo ny naoty “indice Sofascore” 7,8. 2 tamin’ireo daka miisa 4 nataony no nanitsy ny harato. Azony ny 100%n’ireo fifanandrinany na “duel” ary lavorary koa ny 87%n’ireo tolotra nomeny.

Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT