BAREA

Mila mpanazatra mahafehy ny iraisam-pirenena


  • Alakamisy 21 Novambra 2024

Tapaka ny hevitry ny FMF fa hitady mpanazatra vaovao ho an'ny Barea izay handray an’i Ghana ary hidona

amin'ny Centrafrique ny volana marsa 2025 ao anatin'ny fifanintsanana ny Amboara eran-tany. Raha izay no lalana dia tokony manamboatra hatrany ifotony izay mpanazatra eo fa tsy mety intsony ireo mpilalao any amin'ny National Frantsay fa mila mandresy lahatra ireo tena avo lenta. Ny tena mety aloha dia i Eric Rabesadratana raha miaraka amin'i Fabiano Costa izy satria havanana amin'ny fandresena lahatra ireo mpilalao avo lenta izy ireo. Mbola betsaka mangataka koa anefa i Arsène Malabary sy Baovola Augustin Andriamiharinosy izay samy efa nandrafitra ny ekipam-pirenena ary samy efa nilalao tany ivelany. Mbola betsaka ireo mpanazatra toa an'i Haja Ralaikera Maradona na Rabarivony fa miankina betsaka amin'ny enti-manana no ahazoana ireny fa tsy toa an'i Roro Rakotondrabe izay niasa bôjo noho ny fitiavany ilay Barea nefa dia tsy maintsy niantehatra tamin'ireo mpilalao nieritreritra hanatsara ny momba azy ireo fotsiny ihany. Fotoana izao hananganana Barea vaovao izay tsy misy ireo milalao any amin'ny fiadiana izay tompondakan'ny firenena iray izay tsy tazana firy eo amin'ny sehatra eropeanina ary indrindra ireo izay tsy manana klioba akory. Maro izy ireo ary izay dia ampy hanazavana ny hoe resin'ny Comores isika. Raha omena ny rehetra izay manaiky hanazatra ny Barea izay rehetra ilaina dia tsy sarotra ny mampandroso indray ity taranja ity izay mila fijerena ifotony any amin'ireo taninketsa volavolain'ny Akademia.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT