Sport

BAREA Mila mandresy in-telo amin’ny lalao efatra


  • Talata 07 Jona 2022

Faharesena iray, ary ady sahala iray! Io aloha no vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara tamin’ireo lalao roa amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2023 hatao any Côte d’Ivoire. Nisaraka 1-1 nanoloana ny Palancas Negras ekipam-pirenena

Angolais teny Mahamasina ny alahady 05 jona teo. Baolina voatsoriakan’i Njiva teny an-tongotry ny mpiandry harato Angolais teo amin’ny faha-35 no nanokafantsika ny isa. Voasahalan’i Gelson Dala kosa izany teo amin’ny minitra faha-43 noho ny fitavozavozana teo amin’ny vodilaharana ankavia, ka nahafan’ny mpifanandrina nampiditra tolotra tao anaty faritra tsy azo ivalozana mbola nanary ny vodilaharana afovoany, ka mora tamin’ny mpifanandrina ny namono izany. Maro ny fanafihana nentin’ny Barea indrindra tamin’ny fizaram-potoana voalohany, saingy tsy nety nivadika ho isa. Tototry ny fanafihana ihany koa anefa isika, saingy tao anatin’ny heriny tanteraka i Nina izay nanavotra baolina maro. Nilaza ho afa-po tamin'ny lalaon'ny Barea moa ny mpanazatra Nicolas Dupuis. "Na izany aza, hita ihany ny tsy fahaiza-miaraka teo amin'ireo mpila ravinahitra sy ny avy eto an-toerana. Tsy ampy ny lalao noho ny tsy fisian'ny fampivondronana nahafahana nanomana ny lalao tany Ghana na ny androany", hoy izy. Nambarany fa hiverina ao anaty ekipa i Metanire, Marco ary i Jérémy Morel amin'ny lalao hihaonana amin'ny Centrafrique amin’ny septambra. Mikasika an'i Dorian Bertrand, nilaza ny mpanazatra fa tsy toerany no nasiany azy teo ambony kianja, na izany aza anefa niezaka nilalao ihany izy. Mangataka 20 andro amin'ny Federasiona I Nicolas Dupuis ahafahany mandray an-tanana ny mpilalao avy eto an-toerana, hanomezana fiofanana mikasika ny lalao iraisam-pirenena ho azy ireo. Ankoatra izay, azo heverina, hoy Dupuis, ny hisian'ny lalao ara-piralahiana eo amin'ny Barea sy ny Capverdien.
VOATERY TSY MAINTSY MANDRESY IN-TELO EO…
Hatreto, mitana ny laharana fahaefatra farany vonjimaika isika ao anatin’ny Vondrona E. Voalohany I Ghana manana isa (Nandresy 3-0 antsika ary nisaraka ady sahala 1-1 tamin’I Centrafrique). Faharoa kosa I Angola manana isa 4 ihany koa (Nandresy 2-1 an’I Centrafrique, ary 1-1 tamin’I Madagasikara). Fahatelo kosa I Centrafrique manana isa 1, ary miiba iray baolina matiny. Fahaefatra kosa isika amin’ny alalan’ny isa 1, ary miiba 3 ny baolina matintsika. Mila mitady fandresena in-telo amin’ny lalao efatra eo isika no tsara indrindra mba hahazoana isa 10, raha ny raiki-pohy ahafahana miakatra amin’ny CAN 2023. Izay 2 voalohany ao anaty vondrona no tafita, ka raha tsy mandresy in-telo, dia mbola hifampiankina amin’ny isa azon’ny firenena tsirairay. Lalao mandroso sy miverina amin’i Centrafrique, fanafihana an’i Angola, ary fandraisana an’i Ghana eny Mahamasina no miandry ny Barea.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT