Sport

Barea miatrika CAN Nivavaka aho dia maty ny baolina, hoy ny filoha


  • Talata 25 Jona 2019

Rehefa niresaka baolina kitra isika, dia gisitra foana ny Malagasy. Tsy manana eritreritra mihitsy isika hoe manana ny toerana maha izy azy ny Malagasy.

 

 

 

 Rehefa manana ny “leadership” ny mpitondra, rehefa miaraka amin’ny ekipa sy manohana ny ekipa dia miteny aminareo aho hoe azo atao, hoy i Andry Rajoelina. Sambany isika niakatra CAN izany tao anatin’ny 59 taona, ary tsy vitan’izay fa mbola nitaintaina isika hoe hahavita azy ve ireto ekipa ireto ? Tao aza ny sasany sahy nanao fanamby mihitsy fa ny Malagasy izany tsy mampiditra baolina kanefa samy Malagasy isika. Mila antsika miray fo, miray saina hoe mahavita azy ny Malagasy, hoy ny filoham-pirenena. Miray fo tanteraka tamin’ny ekipam-pirenena Malagasy aho, ary izany Guinée izany dia matanjaka efa nanao famaranana aza. Resy 1-0 isika tamin’ny fizaram-potoana voalohany, dia nivavaka aho hoe aza atao menatra ny Malagasy, ka 6 minitra monja taorian’ny fidirana faharoa dia nahafaty baolina ny N°13, hoy izy. Misy dikany daholo izany ary io N°13 io dia tsy laharana fahatany fa na hatrany amin’ny baiboly aza io dia miteny hoe: “fa ny fitiavana no lehibe indrindra”, hoy ny filoha. Toa hita taratra ihany ny fijapiana ny fahombiazan’ny Barea hampidirana resaka loko politika, kanefa ekipam-pirenena ary an’ny Malagasy manontolo io fa tsy ekipana antoko na an’ny mpitondra.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT