Barea

Miandry izay ho ataon'i N'Zi sy Warren


  • Talata 03 Septambra 2024

Efa any Tonizia ny Barea hanatrika ny lalao izay ho tontosaina ny alakamisy izao ao Rades.

Efa vonona ny Barea raha ny filazan'i Roro Rakotondrabe ary efa any an-toerana ny rehetra ankoatra an'i Hakim Abdallah sy Rayan Ponti izay naratra.Ny fanontaniana dia ny hoe mbola hanafana toerana ve i N'Zi sy Caddy Warren sa efa azo ampiadiana.Ny fanarahana ny fanazaran-tena no mamaritra izany satria raha ny feo aloha dia tena mahay ireo roalahy ireo.Ary enga anie mba ho izay satria ireto sasany mety hajoro tena mbola mampisalasala noho izy ireo mbola tsy manana klioba ary isan'izany i Ibrahim Amada sy El Hadary. Na i Loic Lapoussin koa aza efa nisy fotoana elaela tsy niaraka tamin'ny Union Saint Gilloise intsony.Asa aloha na mva mety maka lesona i Roro Rakotondrabe sao mantsy voa eo vao hoe dony aho Ranaotra. Tena mpilalao sangany ao amin'ny Frantsay izao i Rabiot saingy efa tsy nilalao tao amin'ny Juventus intsony izy dia io tsy nantsoin'i Didier Deschamps io intsony amin'ireo lalao hatao amin'ity herinandro ity. Izay ilay tena atao hoe avo lenta fa tokony hofadiana ny miantso mpilalao iray handrafitra ny ekipam-pirenena.Ary eo no tena mampieritreritra satria na i Carolus io aza anie ka efa mivarina kilasy any amin'ny diviziona fahatelo any Arabia Saoudite.Toy izany koa i Safidy Fortune izay mboka ekipa fiandry any Nantes. Raha tsorina dia tena ohatry ny lany bala ny FMF ary manao tsinotsinona ireo mpilalao toto-tanana.Ny an'ny Tonizia anefa jereo fa misy folo ireo mpilalao ao an-tanàna ary ny efatra dia milalao ao amin'ny Espérance de Tunis . Ny mpiandry tsatokazo aza moa dia mpilalao ao Tonizia avokoa.Mampieritreritra...
Clément RABARY 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT