Sport

Barea Mety i Tsiry sisa no toto-tanana !


  • Alakamisy 05 Oktobra 2023

Nivoaka ny lisitr'ireo Barea handeha ho any Maraoka hihaona amin'i Benin sy Mauritanie.

Fanapahan-kevitra tena tsara izany ary inoana fa hanampim-bava ireo be menomenona hoe tsy misy lalao ara-pirahalahiana mihitsy.
Mbola ireto farany ireto koa angamba no nanosika an'i Roro Rakotondrabe hitady ireo mpilalao any ivelany satria dia feno izy ato.
Raha atao kajy tsotsotra aza fa ny tena moa tsy mpanazatra fa dia mety ho Tsiry sisa no mpilalao eto an-toerana hijoro taorian'ny nahavoa an'i Tendry izay mbola mitsabo tena.

Avy any aoriana aloha dia mety mbola Melvin Adrien (Thonon Evian) ihany no hijoro satria dia tsy voahitsin'ny mpanazatra Bernardin mihitsy i Nina rehefa mivoaka iny. Asa aloha fa misy tsy mahay ny iray amin'ireo roalahy ireo.

Tafaverina koa i Metanire (RFC Seraing) ary i Fortin Safidy (FC Nantes).
Eo afovoany no misy an'i Fabien Boyer (St Pierroise) miaraka amin'i Kendji Van Boto (Pau FC).
Ny ao afovoany indray raha atao 4-2-3-1 dia mety ireo irakirakan'ny SC Charleroi ahitana an'i Marco sy Trebel Adrien ary lasa eo aloha i Rayan Raveloson.
Ny any aloha moa mazava ho azy fa misy an'i Loic Lapoussin (US Gilloise) ary Arnaud (El Gouna).
Ny toerana fahatelo no mety mahatafiditra an'i Tsiry saingy mbola ao koa i El Hadary ( St Michel United).
Izany ho mety zato isan-jato avy any ivelany fa lasa fiandry fotsiny ny teto an-tanana araka ny fangatahan'ny olona sasany.
Saingy aza adino fa misy ireo azo ampiadiana tsara raha tsy hiteny afatsy Dadafara sy Lalaina (CFFA), Andy (Disciples) ary Tony (Elgeco Plus).
Oviana izany ireo vao mba omena sehatra. Sa miandry azy ireo lasa any La Réunion dia tsy antsoina ohatra an'i Berajo. Asa aloha e..
Clément RABARY 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT