Barea

Mbola ho sarotra raha i Ramalingom izany


  • Zoma 12 Janoary 2024

Betsaka ireo miantsoantso ny hamerenana indray

an'i Alexandre Ramalingom ho ao amin'ny Barea noho ity farany mampiditra baolina maro. Ny tsy azon'ireo olona ireo dia ao amin'ny Sabail FK any Azerbaïdjan anie izy no milalao. Aiza ho aiza eran-tany izany Azerbaïdjan izany raha baolina kitra no resaka. Tsy ho fampitahana fe fampitahana fa mety tsy mifanalavitra amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Vakinankaratra angamba. Sady efa niaraka nahita anie ny nataon'i Ramalingom tetsy Mahamasina ka ho sarotra aminy izany ho tafaverina izany. Mbola misy Tsiry Kely, Tendry, Jean Yves ao fa angamba ny fandrindrana ny lalao mba hampahomby azy ireo no tokony hatao. Hatreto aloha dia mbola takon'i Loic Lapoussin raha resaka famonoana io baolina io sady izay indray any amin'ny Ligue des champions any Europe. Soa ihany fa mijery ny haavo teknika ny fifaninana any amin'ireny firenena ireny i Roro Rakotondrabe ka tsy mety ho voafitak'ireo mpanazatra facebook.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT