BAREA

Mba hafahafa ahay ny sary


  • Alakamisy 13 Martsa 2025

Nivoaka omaly ny anaran'ireo mpilalao handrafitra n'y Barea hihaona amin'ny Ghana s'y Centrafrique any Maroc

satria Dia Mbola tsy nahazo fankatoavana indray ny Kianja etsy Mahamasina.Nitondra fanovana kely ny mpanazatra vaovao Corentin Martins na dia misy ireo noheverina efa tapitra no naverina.Isan'izany i John Baggio izao mpilalaon'ny Sunkhatai any Thaïlande. Mbola nanrtsoina koa i Dax sy Hakim Abdallah ary Njiva.Ny vaovao mahafaly aloha dia ny nanendrena an'i Dekera ho mpanazatra mpanampy satria tena voafehiny aloha ny asany tao amin'ny Uscafoot sy Elgeco Plus. Mbola misy maromaro ireo toto-tanana toa i Rado Fanalamanga, Lalaina CFFA Ary Nina izay lasa any La Réunion ao amin'ny AS Marsouins s'y Berajo Saint Denis. Mbola isan'ireo efa niverina koa anefa i Melvin Adrien mpiandry tsatokazo.Ny tena manaova ny sary anefa dia ny fahatongavan'i Mathieu Arapandie izay vodilaharana ao amin'ny FC Nantes izay Ligy 1 any Frantsay. Any aloha koa no ahitana an'i Samuel Noireau Dauriat izay mpilalaon'ny En Avant Guinguanp. Mbola vodilaharana vaovao koa i Harrison Marcellin milalao any Israely ao amin'ny Beiter Jérusalem izay diviziona voalohany. Ankoatra ireo Dia misy ireo tena tompo-toerana toa an'i Rayan Raveloson izay nitondra ao amin'ny Young Boys any Suisse.Mbola ao koa i Clément Couturier sy Marco Ilaimaharitra raha ho tonga.I Loïc Lapoussin koa anisan'ireo irakiraka raha any aloha i el Hadari sy Arnaud n'a Dia efa tsy nijoro firy aza ity garant any amin'ny Le Gouna Ejipta. Asa aloha izay tena hijoro fa raha ny kajikajy mandeha tena mbola vitsy ireo mpilalao avo lenta.Naha be resaka izao i Lilian Raolisoa sy Andy Pelmard izay misy rohi-pihavanana amin'i Dekera fa tsy hita.Tsy hita toy izany koa i Saha Seyha ilay any Marseille.
Clément RABARY 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT