Barea manao COSAFA

Hikatsaka amboara na hifandona amin’ny mafy aza


  • Zoma 23 Mey 2025

Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny

Lion’i Atlas na ny ekipam-pirenen’i Maraoka eo amin’ny taranja Baolina kitra. Nanamafy ny federasionin’ny baolina kitra maraokanina fa hoavy hiatrika izany fifaninana izany tokoa ireto nahazo ny laharana faha 4 tamin’ny amboara eran-tany farany teo ireto. Ny COSAFA Cup moa dia fifaninanana nokarakarain’ny firenena afrikanina tatsimo hatramin’ny taona 1997 mba hivoaran’ny baolina kitra ho an’ireo firenena afrikanina aty atsimon’i Afrika, isan-taona. Raikitra indray, araka izany, ity andiany ity ka ny 6 jona izao ny ekipam-pirenena malagasy na Barea dia hifandona amin’ny Lion’i Atlas maraokanina ao amin’ny Toyota Stadium manomboka amin’ny 4 ora hariva, ora eto Madagasikara. Hifandona amin’i Eswatini indray avy eo ny 9 jona ao amin’ny Dr Petrus Molemela Stadium, amin’ny ora toy izay hatrany. Ny mpanazatra malagasy, Romuald Rakotondrabe na Roro, moa dia nametraka ho tanjona fa haka ny amboara amin’izay isika malagasy amin’ity andiany manaraka ity. Sady hikatsaka amboara no hifandona amin’ny mafy, araka izany, ny ekipam-pirenena malagasy ka noho izany, isika mianakavy dia hiara-hihiaka ny hoe «Alefa Barea!» hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT