Barea

Kihon-dalana io mandray Centrafrique sy Ghana io


  • Zoma 14 Jona 2024

Tena manana ny vato rehetra entina hanao ny Mondial 2026 ny Barea raha ny

filahatr'ireo lalao ao anaty Vondrona. Ny volana marsa 2025 no hatao ny andro fahadimy sy fahaenina ary eo Mahamasina raha vita ireo fanitsiana takian'ny CAF. Raha tsy ny bozaka araky ny fanazavan' Faneva Ima no nahatonga ilay fankatoavana ny kianja dia tsy maintsy ny efitra fiakanjoana sy fitsaboana no mila halebeazina sy vatsiana fitaovana. Mila asiana fitaovana koa ny toeran'ny mpanao gazety ary hatao anaty fatitra voatafo. Raha vita alohan'ny volana marsa 2025 izay dia eo handraisana ny Centrafrique sy Ghana. Miakina amin'ireo lalao roa ireo izany ny fitohizan'ny lalana makany amin'ny Mondial. I Centrafrique aloha no tena baraingo fa raha ny Ghana aloha dia sanjila tanaty fanalavam-potoana no naharesy ny Barea. Afaka eo dia ny volana septembra indray vao mankany Centrafrique sy mandray an’i Tchad eo Mahamasina. Tchad izay ataon'ny rehetra lalana ka tsy tokony atao anaty kajy. Ny lalao toa farany ny volana oktobra 2025 dia any Comores sy any Mali. Ho sarotra noho izany saingy raha mahazo tombony amin'ireo lalao teo aloha dia mety ho afaka ihany na mitady sahala. Asa aloha fa raha ny sary dia tokony ho afaka isika. Raha ireny tamin'i Mali ireny no miverina i Kendji Van Boto ary amin'ny vodilaharana havia ka manaiky hatao irakiraka i Coquelin miaraka amin'i Rayan Raveloson sy Marco Ilaimaritra dia tena tsara. Any aloha indray dia tsy misy afatsy ny fametenana an'i Njiva ary atao izay fomba rehetra hametrahana an'i Ebobisse ho lohany raha i Loic Lapoussin no sisiny havia. Ny mpiandry tsatokazo aloha dia efa hita fa lasan'i Sonny Laiton ambongadiny. Rado, Tendry, Andy ary Nina mijanona ao anaty lisitra na hikarakatana ny CHAN ihany aza. Raha afaka mampijoro La Réunion moa dia mbola ao daholo i Fabien Boyer, Angelo Andrianantenaina, Rojo Be Andriamanjato ary Tokinantenaina Olivier Tsiry. Mbola mafy ireo CHAN !
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT