Sport

BAREA JIOI 2019 Hiantehitra amin’ny «Jeux Collectif », hoy i Rôrô


  • Zoma 05 Jolay 2019

Tazana nanohy ny fanazarantenany tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina omaly alakamisy 04 jolay 2019 ny Barea JIOI «Barea handeha hiatrika ny fifaninanana baolina kitra any amin’ny lalaon’ny nosy 2019 any Maorisy ».

 

 

 

 « Efa nahazo fanazarana ara-batana fenofeno ireto mpilalao tantanako ireto, hoy i Rôrô Rakotondrabe mpanazatra raha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana tamin’io omaly io, ka ny resaka “Tactique” sisa no hamafisina amin’izao herinandro faramparany  hanaovana fanazarana izao. Tsy dia manana  “ Star ” izahay ao anatin’ireto mpilalao ireto fa ny  lalao iombonana  na  “ jeux collectif ” no  hianteherana. Salama tsara avokoa ireo mpilalao rehetra afa-tsy i Feldam (Jet Mada)  izay naratra tamin’ny sabotsy teo teny Carion. Mbola handrasana koa ny  fahatongavan’i Rinho Michel avy any Seychelles sy Simouri Olivier avy any La Réunion hanatevin-daharana ny ekipa. Vonona tanteraka izahay hiatrika ny Barea Chan etsy Mahamasina amin’ny alahady ho avy izao», hoy izy,

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT