Barea- Jamil Siebert

Itony kosa aloha tsy ariary be e !


  • Zoma 10 Mey 2024

Mihazakazaka mitady mpilalao vaovao avo lenta sy mahay ny rehetra na olon-tsotra aza.

Mafy tokoa izany fitiavana ny nandresen'ny Barea izany. Ary tena misy mahita tokoa. Ity izao misy an'i Jamil Siebert izay milalao ao amin'ny Fortuna Düsseldorf any amin'ny diviziona faharoa any Alemaina. Malagasy ny mamany ka tsy hananosarotra ny ahazoany ny taratasy maha Malagasy azy. Eo amin'ny vodilaharana afovoany no misy azy aty tompon-toerana foana izy ao amin'ny Düsseldorf. Tena Rapeto vaovao ity fa mirefy 1m 93 ary milanja 85 kilao. Matanjaka tsara izy fa vao 22 taona ary tsy azo lazaina ho ariary be araka ny fanesoan'ny sasany fa tena miady izy matoa milalao ao amin'ny diviziona faharoa any Alemaina izany. Miankina amin'ny FMF ihany anefa sao dia ireo any Luxembourg indray no omeny vahana. Rehefa tena mitady mpilalao manana ra malagasy anefa dia mahita ireo tena avo lenta. Isan'izany izao i Jean Marcellin izay vodilaharana afovoany ao amin'ny Girondins de Bordeaux izany hoe diviziona faharoa any Frantsa. Vao 24 taona izy saingy efa voky traikefa satria efa tany amin'ny Cercle Bruges sy AS Monaco vao tonga tany Bordeaux. Mbola Rapeto koa anefa ity mpilalao ity satria mirefy 1m 97. Izany hoe tena mety atao rindrina izy roalahy ireto raha mihaona amin'ny Afrikanina. Asa anefa raha manana ny ho enti-manana amin'izao indray ny federasiona. Ny atsy Comores mantsy amin'izao dia tena mandrovi-tsihy maka ireo mpilalao avo lenta ary ny fanjakana no miantoka ny lany rehetra. Izay ny azy fa ny antsika moa ny manao ny kianja ho ara-dalana aza toa manahirana. Misy milaza fa hisy solontenan'ny CAF ho avy hijery ireo fanamboarana farany fa tsy hay hatreto na vita na tsia ny asa nangatahina. Tsy azo idirana moa ny etsy Mahamasina fa ny tazana avy ety ivelany dia ireo masinina fanisana olona eo ambavahady anatiny. Amin'ny 15 may izany vao tena ho fantatra na tsia hoe nahazo fankatoavana ny Kianja Barea.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT