BAREA

Ho tonga ihany i Gardies sy Kenny Lala


  • Zoma 08 Martsa 2024

Tena niasa ireo solontenan'ny Barea any ivelany amin'ny

fandresena lahatra ireo nantsoin'i Roro Rakotondrabe. Tao amin’ny Transfertmark izao no nahitana ny fanehoan-kevitr'i Kenny Lala fa Malagasy izy. Ity vodilaharana havanana ao amin'ny Stade Brestois izay laharana faharoa ao amin'ny Ligue 1 ity no mety hanavotra ny Barea satria na io aza no toerany dia mahavita mamono baolina koa izy raha manome tolotra no nahafantarana an'i Lamasinina Romain Metanire. Ny vaovao faharoa koa no nahalalana fa efa naneho ny maha Malagasy azy koa i Teva Gardies izay mpiandry tsatokazo fiandry ao amin'ny Paris FC. Niasa mafy koa izany i Bolida nahatonga ity mpilalao ity niova hevitra. Ny olana kely anefa dia tsy mijoro aloha hatreto ity mpilalao ity. Miakina amin'ny mpanazatra ny mpiandry tsatokazo ihany anefa fa raha ny fotoana nilalaovany no jerena dia mety lasan'i Sonny Laiton ao amin'ny Auxerre ny toeran'ny mpiandry tsatokazo. Hatreto aloha ankoatra ny mpiandry tsatokazo dia ilay mpamono baolina atao lohany ( laharana faha 9) no tena tsy misy. Ary raha ilay baolina volana marsa koa dia ho sarotra satria tsy misy Rayan Raveloson, Marco Ilaimaritra ary Francis Coquelin. Ny mety ho solony mantsy izao dia i Rojo Be (Saint Pauloise) sy Baggio tao amin'ny Fosa teo aloha ary Andy izay Disciples ary isan'ny tena mivoatra indrindra no mbola zandry kely. Mbola tena sarotra no miandry an'i Roro Rakotondrabe satria na ny Comores na i Mali dia samy niezaka ahazoana ireo mpilalao tena avo lenta. Ny Barea anefa hatreto tena mbola mila mpamono baolina. Tsara na izany no niantsoana an'i Carolus atao joker satria na i Arnaud na i Hakim Abdallah samy mbola tsy misy maharesy lahatra fa miendrika kitranoatrano no niantsoana azy ireo. Ka na ho an'ny Elatr'i Betafo aza ve no tiany handehana tsy hilaza i Lamera mpanazatra hoe efa feno ny toerana.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT