Sport

Barea ho any Cote d’Ivoire An-dalana i Metanire, efa tonga any ry Melvin


  • Alatsinainy 09 Novambra 2020

Nivaha tamin’ny ora farany ny olana, nisinda ny ahiahy momba ny tsy ahafahan’i Romain Metanire hiatrika ny lalao in-droa miantoana hifandonana amin’ny Côte d’Ivoire ny 12-17 novambra izao.

 

 

 An-dàlana hihazo an’i Abidjan hamonjy ireo namany ao anatin’ny Barean’i Madagasikara ity vodilaharana Malagasy milalao ao amin’ny Minnesota United any Etazonia ity, raha ny vaovao azo omaly. Hampiakatra hatrany ny moralin’ny ekipam-pirenena ny fahatongavan’ity mpilalao Malagasy isan’ireo 11 mendrika indrindra ao anatin’ny fifaninanam-pirenena Amerikanina ity. Efa tonga omaly ihany koa ny delegasiona Malagasy avy teto Madagasikara niala ny sabotsy teo, nahitana an’ireo avy amin’ny Federasionina sy ny Mpanazatra Nicolas Dupuis, Adrien Melvin mpiandry tsato-by,… Tonga maro nitsena tamin-kafaliana ireo Delegasionina ny Malagasy mpila Ravinahitra any Côte d’Ivoire omaly. Anio moa ny fampivondronana ny Barea, izay hiatrika lalao goavana ny alakamisy ho avy izao.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT