Sport

Barea hikatroka amin’i Mozambika Manohy ny fanazarantena etsy Mahamasina koa


  • Talata 16 Jolay 2019

Toy ny efa nahazatra azy ireo tao ho ao dia manohy ny fanazarantena hataony eny Carion sy etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina mifandimbindimby ny Barea hiatrika ny lalaon’ny nosy 2019 sy ny Barea hiatrika ny fifanintsanana CHAN 2020.

 

 

 

Mifandimby mampiasa an’ireo kianja roa ireo izy ireo isan’andro. Omaly alatsinainy 15 jolay 2019, ohatra, ny maraina ny Barea JIOI no niakatra ny kianjan’i Mahamasina ary ny tolakandro kosa no anjaran’ny Barea Chan. Raha ny tazana omaly hariva teny an-toerana dia miezaka mampitovy tsara ny tadin-dokangan’ireo mpilalao ny mpanazatra mirahalahydia i Franklin sy Hary. Marihina fa tsy mbola navoakan’ny “Comité de Normalisation FMF” ofisialy ny anaran’ireo mpilalao handrafitra farany an’ity ekipa ity hiatrika ny ekipam-pirenen’i Mozambika amin’ny lalao dingana faharoa mandroso ny zoma 26 jolay ho avy izao etsy Mahamasina. Raha ny fantatra mantsy dia mbola afaka handrafitra an’ity ekipa ity ry Leda sy Baggio izay avy niatrika ny CAN 2019 tany Egypte.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT