Barea hihaona amin’i Mali

Nanatombo be tamin’ny fizarana kianja


  • Talata 11 Jona 2024

Azo lazaina ho nanatombo be tamin’ny fizarana ny kianjan’ny First National Bank Stadium any Johannesburg,

Afrika atsimo, ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara raha hihaona amin’ny voromaherin’i Mali amin’ity takariva ity. Azo lazaina hoe efa maherin’ny 10 andro teo izany, tamin’ny ankapobeny ry Ibrahim Amada sy ny tariny no nizatra izany FNB Stadium izany. Tsy vitan’ny hoe nanao fanazarantena fotsiny fa efa niatrika fihaonana nitondra fandresena mihitsy nanoloana ny ekipam-pirenena kaomorianina ny 7 jona teo. Tombanana ho tsy toy ny mpanofa trano intsony, noho izany, isika amin’ity anio ity fa tokony ho tena mendrika ny mampiantrano lalao mihitsy na dia tsy etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina aza. Ry zareo malianina notombanana ho vao tonga tamin’ny maraina tamin’ny 4 ora aty amintsika nefa hiatrika lalao rahariva amin’ny 4 ora eto amintsika ihany koa. Anaty harerahana tanteraka, raha ny tokony ho izy, no hiatrehan’ny ekipam-pirenena malianina ity andro faha 4 amin’ny fiadiana ny tapakila ho any amin’ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra amin’ny taona 2026 ity. Heverina fa tokony hanatombo be ny Barean’i Madagasikara anio manoloana izany, indrindra, eo amin’ny resaka angovo satria azo lazaina ho mifanatsahana ihany ny ekipa roa tonta raha ny ara-batana no jerena. Mbola manatombo aza isika kanefa ry zareo izany raha ny tokony ho izy efa tena reraka. Tsy azo lavina, noho izany, fa tena ho afa-baraka isika raha sanatria mbola ho resy eo. Mila mailo hatrany anefa mba tsy hisian’ny tandrevaka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT