Sport

Barea hihaona amin’i Côte d’Ivoire Hanatevin-daharana i Hakim sy Hery ary Alexandre


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Efa namaly ny fiantsoana azy ireo hanatevin-daharana ny Barean’i Madagasikara amin’ny fihaonany amin’ny ekipam-pirenen’i Côte d’Ivoire

 

 

 

amin’ny volana martsa izao ao anatin’ny fifanintsanana hahazoana miatrika ny CAN 2021 hotontosaina any Cameroun ny mpilalao Malagasy 3 mirahalahy mila ravinahitra any ivelany any dia i Hakim Abdallah lohalaran’i Fc Nantes France ankehitriny sy i Bastien Hery mpilalaon’ny Linfield FC  any Ecosse ary i Alexandre Ramalingom “avant centre” ao amin’ny ekipan’i Royal Excelsior Virton any Belgigue

Tamin’ny  valandresaka ho an'ny mpanao gazety nataon’ny  Coach Nicolas Dupuis tetsy amin’ny birao fiasany tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, omaly talata 11 febroary 2020,  no nampisehoany ny fahavitan’ny “passeport Malagasy” - n'izy 3 mirahalahy ireto. Nampita ny fisaorana ho an'Atoa filoham-pirenena ny Coach tamin'ny fanamorana ny fahavitan'ny « passeport”. Na izany aza, hoy izy,  dia sarotiny tena sarotiny ny filoha nitaky tamiko ny taratasy fanamarinana fa tena misy ra Malagasy tokoa  izy ireo. Raha nantsoina anefa izy ireo, hoy ihany izy, dia tsy midika fa ho tompon-toerana avy  hatrany akory any Côte d’Ivoire fa ohatran'ireo sasany hantsoina ihany koa  dia mbola ho “Préléctionnés” avokoa. Nambaran'i Nicolas Dupuis teo am-pamaranana  fa manana fanantenana feno amin’ny lalao miandry ny Barea any Côte d’Ivoire ny tenany fa dia ho avy ihany koa i Zotsara izay efa sitrana tamin’ny ratra nahazo azy fa i Jeremy Morel no mampanahy noho ny ratra nahazo azy ka mety hananosarotra ny hilalaovany amin’ity fihaonana ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT