Barea

Hihaona amin'i Mozambika sy Maraoka


  • Zoma 08 Desambra 2023

Raha mbola mandeha be ny resaka taorian'ny fanehoan-kevitr'i Njiva Rakotoharimalala,

dia tsy nahasakana ny federasiona handroso izany. Re mantsy izao fa hanao lalao ara-pirahalahiana roa ny Barea ny volana janoary izao.Maraoka sy Mozambika no niantefan'ny safidy saingy mbola tsy voatondro ny kianja. Tsy mbola fantatra rahateo raha vita ny fanamboarana ny Kianja Barea izay takian’ny CAF. Izany hoe mety tsy hatao eo Mahamasina izany lalao izany. Efa tsara aloha raha ny safidy satria samy ekipa mbola amin'ny laharana ambonimbony no niantefan'ny safidy. Mandeha ihany koa ny resaka fa ho avy Francis Coquelin izay milalao any Italia ary toy izany koa i Rémy Vita. Samy sangany ireo fa na izany aza manantombo kely i Francis Coquelin. I Rémy Vita indray na tsara aza dia mbola misy olona maro no eo amin'io vodilaharana havia io raha tsy hiteny afatsy Titouan Safidy sy Kendji Van Boto ary Dadafara. Fotoana hanarenana ny tsy mety izao ka tokony any no resaka. Ary fijery ohatra ny an'i Njiva ireo no andrasana satria ao anaty fahasahiranana no tena ahita ny lesoka . Hatreto aloha dia mbola tsy tena mahafa-po ny ataon'ireo mpilalao lazaina fa avy any ivelany ireo.Ary raha izay dia tsy diso i Njiva fa nahita ny fihetsi'ireo Vazaha ireo hoe ohatry ny nampiontsina azy ireo ny faharesena nanoloana ny Ghana. Mbola tsy tara izao handrafeta izay mpilalao tokony hijoro.Mila fantatra izany ny fotoana hilalaovan'ny tsirairay sy ny aavo teknikan'ilay ekipa mifanandrina aminy. Ireo mitambatra no mahavaly ny antony hampijoroana ny mpilalao iray. Dia hisy hiteny ve hoe tsara izany Swift Hesperange na El Gouna izany eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT