Barea handresy an’i Angola

Ho voaporofo na tena fahaizana na sanjila ny an’i Roro!


  • Zoma 13 Jona 2025

Na tamin’ny fotoana nitondràny ny ekipam-pirenena zokiny (Barea A)

na Barean’i Madagasikara nanao CHAN, izany hoe ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ny taona 2023, ka nahatafita azy ireo tany amin’ny dingan’ny manasa-dalana sy nahazoany ny laharana fahatelo na medaly volafotsy, na tamin’ny lalaon’ny nosy farany teo izay nahazoan’ny Barea medaly volamena, na tamin’ny fotoana nandraisany ny Barea nifanintsana ho an’ny amboaran’i Afrika na CAN farany teo ihany koa dia saika ety dia ety hatrany ny vokatra teo amin’izany Barea izany sy izay nifanandrina taminy. Moka fohy hatrany. Fandresena ety dia ety amin’ny isa 1 noho 0 hatrany na sahala 1 noho 1, izay matetika any amin’ny fotoana farany no hipaingoran’ny olona ny omby malagasy, ary na efa am-bivitra ny hirava sahala 0 noho 0 aza ny baolina dia ireny nahatafidiran’ny ganeanina ny 0 noho 1 tamin’ny ora farany ireny ihany. Toy izany koa no nitranga nanoloana an-drizareo tonizianina. Hatramin’izao izany dia mbola izay hatrany no antsoina hoe «Style Rakotondrabe na Romuald Rakotondrabe», izany hoe «Style Roro». Lalao miteraka fitaintainana hatrany ho an’ny mpanohana ny ekipa malagasy. Lalao tsy mampitony saina hatramin’ny farany fa dia mionona amin’ny fitarihana amin’ny isa tokana, izay ivavahana mafy amin’ny Zanahary mba tsy ho tratran’ny mpifanandrina. Hita izany nanoloana an-drizareo tanzanianina tamin’ny andro voalohan’ity COSAFA Cup 2025 atsy Afrika atsimo ity. Nandresy tamin’ny isa 1 noho 0 isika saingy fitaintainana tanteraka no nameno ny fizaram-potoana faharoa. Nanao sahala 1 noho 1 tamin’i Eswatini avy eo tamin’ny andro faharoa ary efa saika resy ihany koa. Nitaintaina mafy avy eo nanaraka ny lalao farany teo amin’i Tanzania sy Eswatini satria raha tsy naharesy an’ity farany teo i Tanzania dia tsy tody aty amin’izao manasa-dalana hihaonana amin’i Angola anio ity izao. Nitsikian’ny vintana, hoy ireo mpankafy, fa mba alaivo sary an-tsaina anie hoe nandray anjara teo ny maraokanina e! Anio tokoa, araka izany, no ho voaporofo na tena fahaizana na sanjila ny an’i Roro! Hanana paikady mazava ve izy handresena anaty stratejia tsy mampitaintaina toy ny mahazatra ny Palencas Negras avy atsy Angola sa hanidy trano toy ny mahazatra rehefa mba mitarika 1 noho 0 dia hivavahana mafy hatrany mba tsy ho tratran’ny mpifanandrina? Hiova ve ny lafiny fanafihana eo amin’ireo ho apetraka ho lohalaharana malagasy sa paikady ahiana ho efa lanin’olona tsianjery no ho eny aloha eny? Ho hita eo tokoa!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT