Barea

Haka tahaka an'i Frantsa i Roro Rakotondrabe


  • Alakamisy 21 Desambra 2023

Hafa raha samy hafa indray ity ataon'ny federasionan'ny baolina kitra ity.

Hiantohany hiofana any Frantsa mantsy ny mpanazatra Roro Rakotondrabe mandritra ny telo herinandro. Hiofana moa no filaza azy fa haka tahaka ny fomba fanaon'ireo klioba lehibe ary hitety any Paris FC, RC Lens ary Brest izy. Efa manana ny licence A CAF mantsy i Roro Rakotondrabe saingy mbola tsy ampy izany raha hitondra klioba lehibe any Eoropa. Fa hatreto aloha dia ny hitondra teknika avo lenta no tanjon'i Roro Rakotondrabe. Tsy mety miresaka amin'ny mpanao gazety intsony mantsy i Roro Rakotondrabe noho ny antony tsy dia mazava satria araka ny filazany dia efa misy miandraikitra ny serasera eo anivon'ny FMF. Mahagaga ihany izany satria na anaran'ireo katita kely nilalao tany Harare farany teo aza tsy nisy maika moa fa ny sekoly nivoahan'izy ireo. Rehefa tsy miteny anefa i Roro Rakotondrabe dia lasa ohatry ny misy tsikombakomba afenina ny resaka Barea. Ny maha maika anefa dia ny hamantatra izay ho mpiandry tsatokazo taorianan'ny ratra nahazo an'i Nina sy Melvin. Raha ny eto an-tanana mantsy toa mbola sarotra satria tsy misy ny Pro League nefa ilay Grand Tournoi Analamanga toa ireo namana eto ihany no nantsoina.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT