Barea

Hafahafa safidy i Roro Rakotondrabe


  • Zoma 24 Mey 2024

Nivoaka ny lisitr'ireo Barea hanao ny lalao hihaonana amin'ny

Comores sy Mali ny 7 sy 11 jona ho avy izao any amin'ny First National Bank Stadium ao Johannesburg. Kianja lehibe mahazaka mpijery 93736 mipetraka ary efa nandray ny famaranana ny Amboara eran-tany tamin'ny taona 2010. Fa na lehibe ohatry ny varatra aza efa hisaorana ny Avo raha hisy Malagasy 200 ho avy nefa ny Comores hanofa roapilanina manokana. Eo amin'izay lafiny izay izany dia efa resy ny Barea fa na eny ambony kianja aza dia betsaka ireo mpilalaony tena avo lenta nefa ny antsika dia Rayan Raveloson ihany no mba ligy 1 miampy an'i Loic Lapoussin izay diviziona voalohany any Belzika. Ireo vaovao nantsoina aza dia tsy fantatra izay nahatonga an'i Roro Rakotondrabe haka azy ireo. I Julien Pobtgerard izay amin'ny AS Brestois no tena betsaka mpanakiana satria dia diviziona fahafito sy fahasivy aza no hilalaovan'ity klioba ity. Milaza i Roro fa resy lahatra aminy nefa dia lalao iray sy fanazaran-tena roa no hitany. Eo koa i Nomena Andriatiana izay ao Aubagne no milalao izany hoe diviziona fahaefatra any Frantsa. Na i Thomas Fontaine natao hitsikitsika hivavahana aza anie ka ao amin'ny FC Sochaux Montbéliard izany hoe National na diviziona fahatelo. Toraka izany koa i Titouan Safidy izay ao amin'ny ekipa fiandry ao Nantes ary saika tsy nilalao mihintsy izy tamin'ity taom-pilalaovana ity satria tamin'ireo lalao telo nataony dia zara raha 10 minitra ireo lalao roa. Mipetraka ary ny fanonaniana hoe inona izany no nanakana tsy naka ireo mpilalao tena avo lenta. Misy koa anefa ireo Barea U23 ka raha samy haka aty ambany ihany maninona no tsy mba nantsoina i Kalvin Paul sy Tony Robert ary Allan Rakotovazaha ? Mila mijery akaiky ireo mpilalao any Eoropa ve dia ny nanala an'i Bolida no naha maika nefa efa hita fa nidina tany Villarreal mihintsy aza izy nandresy lahatra an'i Francis Coquelin fa dia aleo ve izany i Clément Couturier izay milalao any amin'ny Swift Hespéranze any Luxembourg anefa dia hiara-mahita ny lanjan'izany. Na dia Hakim Abdallah izay ao amin'ny Dinamo Bucarest aza tena mbola tsy hita izay vitany fa dia nalain'i Roro ihany izy. Sa tsy maintsy asiana Ariary be ?
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT