Barea

Fantatra ireo Rakotovazaha dimy


  • Alatsinainy 04 Martsa 2024

Hiatrika fifaninana tsotra ny Barea ny volana marsa izao.

Etsy Mahamasina (raha vita) no fotoana ary Botswana, Rwanda ary Burindi no nasaina. Izany hoe ireo firenana tsy dia mankaiza satria efa nahita hilalaovany daholo ireo sangany nasaina toa an'i Afrika Atsimo sy Cameroun ary Bénin. Asa na vokatr'izay fa toa tsy dia mankaiza koa ireto Barea nantsoina. Tsy namaly ny antso i Francis Coquelin ary tsy tonga koa i Thomas Fontaine.Mety tezitra amin'ny tsy niantsoana an'i Melvin Adrien izay tena namany akaiky angamba ity Fontaine ity. Fa na izany aza ny fiantsona an'i Fabien Boyer sy Berajo ao amin'ny vodilaharana afovoany dia efa mahavelom-bolo. Ny sisiny iray moa dia misy an'i Kendji Van Boto ary ny ilany havanana indray dia na i Metanire na i Kenny Lala izay milalao ao Brest. I Lala izany no maha dimy ireo Rakotovazaha vaovao nantsoin'i Roro Rakotondrabe. Tsy izy izany fa ireo mpiandry tsatokazo roalahy dia Teva Gardies izao milalao ao amin'ny Paris FC ary Sonny Laiton ao Auxerre. Raha ny kajikajy izany aloha dia tsy ho hita tabilao intsony izany Melvin Adrien izany ary na i Nina aza mbola hafahafa satria dia any amin'ny Ligue 2 ireto no tompon-toerana. Ny Rakotovazaha fahaefatra izany dia i Robin Fomendraza izay milalao any Suisse ao amin'ny FC Nyonnais, diviziona faharoa. Izy indray dia vodilaharana ampovoany no misy azy fa mipetraka eo ankavanana koa izy raha ilaina.Ny mpilalao vaovao farany dia i Sayha Seha izay ao amin'ny Olympique de Marseille B. Misy koa anefa ireo mpilalao taloha naverin'i Roro Rakotondrabe indray, asa mety nohon'ny tsy fananany mpanafika tena mahafehy ilay toerana. Nantsoina indray ary Carolus Andriamahotsinoro sy Arnaud Randrianantenaina ary i Hakim Abdallah izay lazaina fa efa niova nefa vao penalty iray no matiny tamin'ity taom-pilalaovana ity tany amin'ny Dinamo Bucarest any Roumanie raha mbola tsy nitoko ny lehilahy tao amin'ny Barea nandritra ny lalao enina natrehany. Tena lany bala angamba i Roro raha resaka mpanafika atao lohany. I Njiva anefa tsy tonga noho ny ratra nahazo azy. Ho avy koa anefa ny CHAN ka raha hanandrakandrana ihany inona no tsy hiantsoina an'i Carlos izay velona be any amin''ny Fosa Juniors na farafaharatsiny i Feli izay manavotra matetika an-dry zarea Mahajanga ireto. Eo amin'izay lafiny izany mantsy raha hiatrika fanomanana ihany dia tokony mba hita tao ireo 11 CHAN. Hatreto anefa dia i Jean Yves, Nina, Lalaina, Tendry, Andy miampy ireo sambany mba voantso. Tantely sy Rado Fanalamanga ary Tiavina Fosa Juniors sisa mameno ireo. Ho sarotra ihany izany no miandry indrindra fa raha voamarina fa tsy ho avy i Loïc Lapoussin sy Marco Ilaimaritra.Toraka izany koa i Teva Gardies sy Kenny Lala izay mbola tsy vita ny taratasy maha gasy azy ireo.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT