Sport

Barea-Fahasalaman’i Ibrahim Amada Tsy misy atahorana fa mila tandremana


  • Alatsinainy 13 Mey 2019

Tsy misy atahorana fa mila tandremana na izany aza ny fahasalaman’ilay irakiraka afovoany sady vodilaharan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra,

 

Ibrahim Amada, taorian’ny ratra nahazo indray ny lehilahy ary nijoro ihany koa nandritry ny lalao nihaonan’ny ekipany tamin’ny JS Saoura ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i Alzeria omaly. Anisan’ny ekipa matanjaka ao Alzeria ny ekipan’ny MCA izay ilalaovan’ity avokavoky ny Barea ity ary na dia resy tany an-tanin’olona tamin’ny isa 4 no ho 3 aza izy ireo iny omaly iny dia mbola misy ihany ny vintana ahafahany hiditra ao anatin’ny laharana 3 voalohany. Tanjona ho an’i Ibra manokana kosa ny ho ampy lalao sy afaka hiatrika am-pitoniana ny tompondakan’i Afrika na ny CAN miaraka amin’ny Barea izay hanomboka ny faran’ny volana izao ny fanomanana azy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT