Sport

Barea Fady ny mampiasa ireo latsaky ny 19 taona ?


  • Alarobia 07 Jona 2023

Efa fanandramana ny hanamboarana ny ho avy ve dia tsy mbola miantso ireo taninketsa tena mamiratra ?

Izay no fanontanian'ny maro satria ny any an-kafa dia tena mihazakazaka amin'ireny toy ilay Anglisy Judd Bellingham na ireo Brezilianina Rodrygo sy Vinicius Jr Ary dia tonga amin'i Safidy Fortin ilay kapitenin'ny FC Nantes izay nandrombaka ny tompondakan'i France U19 farany teo Efa tao amin'ny Barea U23 ity zandry kely niaraka tamin'i Allan Rakotovazaha mpiandry tsatokazo. Izany hoe efa tena manana traikefa ary manginy fotsiny ilay fahabangana amin'ny vodilaharana havia toy ny tranga tamin'ny CHAN ireny fony naratra i Dadafara nefa i Avizara tena mbola lavitra. Mbola tara ve raha miantso azy sa dia avela ho be tsy handraofana toa io ka lasan'ny daika sy tsy manana klioba ny toerana . Ny fiandohan’ity herinandro ity moa no efa nanomboka ny fanazaran-tenany etsy amin’ny kianja ivelany amin’ny kianja Barea ny ekipam-pirenena eo ambany fitarihan’ny Coach Rôrô.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT