Araka ny fampahafantarana nataon’ny teo anivon’ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra na CAF dia ny mpitsara Tonizianina, Haythem Guirat, no hitsara ny lalao mandroso eo amin'ny Elefanta sy ny Barea,
izay tafiditra amin'ny andro faha 3 amin'ny fifanintsanana CAN 2022 atao ny sabotsy 14 oktobra izao, tokony ho any Cote d’Ivoire. Raha tsiahivina dia ity mpitsara ity no nitsara ny lalaon’ny Barean’i Madagasikara tamin'ny Les Hirondelles du Burundi ka nandresen’ny ekipam-pirenena malagasy 1-0 tamin'ny andro faharoan’ny CAN 2019 natao tany Egypta farany teo. Ho hita miandalana eo moa ny fivoaran’ny toe-draharaha mikasika ny mety ho fiovan’ireo toerana hanaovana ny lalao noho ity olana ara-pahasalamana mampidy sisin-tany eto sy any ity, raha ny adihevitra mandeha eo anivon’ireo mpamakafaka ara-panatanjahantena hatreto. Ny hirariana aloha dia ny hahavitan’ny ekipam-pirenena malagasy valin’ady manoloana ireto ekipam-pirenena ivoirianina ireto na aiza na aiza toerana hanatontosana ireo lalao miisa 2 ny 14 sy 17 oktobra izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.