Sport

Barea ≠ Elefanta any Abidjan Miziriziry hitazona ny daty ny Ivorianina


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Mizirizy amin’ny heviny ny Federasionina Ivorianina momba ny Baolina kitra (FIF) ary mitazona ny datin’ny 12 novambra hanaovana ny lalao mandroso amin’ny andro fahatelon’ny fifanintsanan’ny CAN 2021.

 

 

 

 Namoaka fanambarana ny FIF omaly 03 novambra, fa mitazona io daty io, ary miomana amin’ny fandraisana ny Barean’i Madagasikara ao amin’ny Stade Olympique Alassane Ouattara d'Ebimpe-Anyama amin’ny fotoana efa voatondro. Misavoritaka tanteraka anefa ity firenena ity taorian’ny fifdianana ny 31 oktobra teo. Efa nisy ny fangatahana fanemorana ny lalao tamin’ny CAF nataon’ny mpanazatra Malagasy Nicolas Dupuis, izay naneho fa tsy te hitondra ny mpilalaony any amin’ny tany mikorontana. Mety ho tandindonin-doza ny ain’ny mpilalaontsika, raha resin’ny Barea ao amin’ny taniny ny Elefanta, satria efa mafana ny toe-draharaha politika, izay mety hiampy fahasorenana hafa ho an’ny Ivorianina. Olana lehibe iray ho antsika ihany koa ny zava-misy any Frantsa, dia ny fihibohana kanefa ny mpilalaontsika 17 be izao amin’ny 25 no any. Tsy olana ho antsika irery io fa olan’ny ankamaroan’ny ekipam-pirenena aty Afrika. Any amin’ny CAF ny fanapahan-kevitra. Misy ny resaka mandeha fa tazonina ny avokoa ny lalao, ary afaka mivoaka an’I Frantsa ny mpilalao Afrikanina, saingy andrasana ny vaovao ofisialy satria mbola mifamahofaho io, ka dia miandry ny toromariky ny CAF ny rehetra. 8 andro sisa fotoana hanamonana ny lalao ho antsika, izay ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka noho ny zava-misy. Andrasana ny tohiny!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT