Barea

Efa tonga koa i Fontaine


  • Alatsinainy 03 Jona 2024

Mety hiverina indray izany ny ahitana an'i Thomas Fontaine sy Fabien Boyer ho eo

amin'ny vodilaharana ampovoany. Efa tonga any Johannesburg omaly koa mantsy i Fontaine ary efa ao anaty lisitra ihany koa i Fabien Boyer. Efa tena tsara izany raha izay no tanteraka satria efa tena mahay miaraka ireto ary mifankahazo am-po satria samy teratany avy atsy La Réunion ka mifankahita anaty ady fa samy miteny créole. Izay fifanarahana eny ambony kianja izay no tena zava-dehibe na dia misy mihevitra aza ireo mpanohana hoe i Louis Demoléon no tokony ho eo miaraka amin'i Fabien Boyer. Asa anefa fa i Roro Rakotondrabe mpanazatra aloha dia mbola tsy nananana fotoana lavabe hanazaran-tena toy ny tamin'ity indray mandeha ity. Mety ho an'ny mpilalao koa ny tsy fisian'ny mpijery. Raha ny lohalaharana indray dia andrasana anio i Loïc Lapoussin sy Arnaud Randrianantenaina ka inoana fa hanao zavatra ireo indrindra moa raha misy an'i Carolus eo afovoany. Enga anie....
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT