Sport

Barea Efa tonga i Adrien Melvin


  • Talata 03 Novambra 2020

Ny mpiandry tsatokazon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, milalao ao amin’ny FC Martingue, Frantsa, Adrien Melvin, no Barea mila ravinahitra any ivelany tonga voalohany indrindra teny Ivato omaly tolakandro.

 

 

 

 

Efa nivahiny tao amin’ny fahitalavim-pirenena sy fahitalavitra tsy miankina iray sahady ihany koa ny tenany iny omaly. Etsy ankilany anefa na izany na tsy izany dia mbola azo lazaina ho misafotofoto be ihany ny mikasika ny fampivondronana ireto lehilahin’i Nicolas Dupuis ireto satria n any kianja hanatontosana ireo fihaonana eo amin’ny Barean’i Madagasikara sy ny Elefantan’ny Cote d’Ivoire aza mbola hiandrasana ny fanapahan-kevitry ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra. Tsiahivina fa novinaniana ho amin’ny 7 novambra izao tany am-boalohany ny lalao mandroso. Avy eo anefa nahemotra ho 12 indray ary rehefa mbola nangataka fanemorana ihany ry zareo avy eo anivon’ny federasiona ivoirianina na FIF dia novaina ho ny 14 novambra izao indray. Farany teo moa dia nilaza ny mpanazatra Nicolas Dupuis fa tsy hitondra ny mpilalaony any Cote d’Ivoire izany mihitsy manoloana ny savorovoro maro any an-toerana. Ho hita eo ihany, araka izany, izay hiafaran’ity raharaha maha vaky loha ny mpitia baolina boribory ity.

J. Mirija

Legende: Omaly ihany dia efa tao amin’ny TVM ny lehilahy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT