BAREA

Efa any Tonizia ny mason'ny rehetra


  • Alarobia 04 Septambra 2024

Efa vonona tanteraka ny Barea hiatrika ny fihaonana amin'ny Tonizia ao amin'ny kianja ao Rades.

Efa vonona araka ny fiteny ihany anefa fa mbola baraingo ny mety alahatr'i Roro Rakotondrabe eo rahampitso. Misy fanontaniana tsy nahazoana valiny mantsy hatreto toy ny hoe atao lohany ihany ve Arnaud sa maka ny toeran'i Tendry aty amin'ny ilany havia ? Mbola atao kapiteny tsy maintsy ajoro ve i Ibrahim Amada nefa tsy manana klioba ary efa any an-toerana koa anefa i Johan N'Zi, milalao ao amin'ny Lokomotiv Plovdiv izay diviziona voalohany any Bulgarie izay irakiraka mpanafika. Ny any aorina indray raha tsy hiadiana hevitra ny maha tompon-toerana an'i Louis Domeleon dia iza no hampiarahana aminy Berajo sa Thomas Fontaine nefa mbola eo koa i Sandro Tremoulet izay mpilalaon'ny Ararat Erevan izay diviziona voalohany any Armenie.Tena sarotra ny fandidiana satria tsy fantatra koa izay havoakan'ireo mpilalao mbola tsy manana klioba na vao nifindra ary tafiditra amin'izany i Loïc Lapoussin sy El Hadary. Ny zava-misy anefa dia betsaka toto-tanana ihany koa ny mandrafitra ny Tonizia ka mety ho azo atao ihany.Ny marina raha mbola te ho tafita ny Barea dia tokony atao izay handresena na farafagaratsiby manao sahala na tsy midika inona ary izany satria raha izao miseho izao dia mbola any an-tanin'olona no handray ny lalao miverina.
Clément RABARY 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT