Barea

Efa any Johannesburg ny 12 lahy


  • Alakamisy 30 Mey 2024

Sambany teo amin'ny tantaran'ny Barea no mba nanana fotoana lavalava hanomanana ny Barea

Efa misy mpilalao 12 izao no efa any an-toerana ka efatra amin'ireo no toto-tanana ahitana an'i Nina, Rado ary Tendry sy Andy izay mpilalaon'ny Disciples. Tsy fantatra na mbola hilalao fa efa any koa i Melvin Adrien izay nolazaina aloha hatreto hoe hanazatra ireo mpiandry tsatokazo izay efa misy an'i Bebeto hatramin'izay. Efa any koa i Carolus.Fa niara-tonga ny talata tany an-toerana i Sandro Tremoulet (RFC Seraing), Nomena Andriatiana (Aubagne N2), Thierno Millimono (US Mondorf Luxembourg) izay nolazain'i Roro fa hisolo an'i Metanire aty amin'ny vodilaharana havanana nefa dia any amin'ny ilany havia foana no misy azy. Any koa i Julien Pontgerard izay tena nahabe resaka satria dia milalao ao amin'ny AS Brestois izay R2.I Safidy Fortun izay mpilalaon'ny Nantes U19 no heverin'ny maro hisolo ny toeran'i Kendji Van Boto.Raha ny filazan'i Roro Rakotondrabe omaly aloha dia mbola mandalo fisedrana ara-batana aloha ireo 12 ireo. Andrasana rahampitso ny fahatongavan'i Rayan Raveloson sy Clément Couturier ary Arnaud sy Amada.Ny 3 jona kosa no milaza ho avy i Loic Lapoussin.Ary ny 4 jona vao ho tonga ny avy atsy La Réunion izay mety ahitana an'i Fabien Boyer sy Ando Manoelantsoa ary Angelo Andrianantenaina. Misy fotoana izany hijerena tsara ireo mpilalao tokony alahatra. Fijerena izay tsy tokony hitanila fa izay mahay sy mahazaka ady no tokony hajoro. Tombony lehibe koa anefa ny mandahatra ireo mpilalao avo lenta sy milalao any anaty fifaninana goavana toa ireo fiadiana izay ho tompondaka dimy aty Eoropa ahitana ny Frantsa, Alemaina, Angletera, Italie aty Espagne.Ny ankoatra ireo aloha dia ho sarotra ihany indrindra raha mieritreritra handresy Mali araka ny nambaran'i Roro Rakotondrabe. Hatreto aloha dia trano-pody no vitan'ny vava.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT