Sport

Barea de Madagascar Manantena ny fanohanan’ny mpijery


  • Alarobia 05 Septambra 2018

Niditra nitsapa ny kianjan’i Mahamasina hanatanterahana ny lalao hihaonana amin’ny Senegaley amin’ny alahady 9 septambra izao eo amin’ny fifanintsanana hahazoana hiatrika ny CAN Cameroun 2019 ny mpilalaon’i Barea voaantson’ny mpanazatra René Dupuis.

 

 

 

Raha tokony ho 23 no isan’izy ireo dia 21 no vonona fa ny 2 kosa dia maratra (Baggio, Caloin). 17 ireo mpilalao mpila ravinahitra ka ny 13 amin’izy ireo efa eto an-toerana fa ny 4 kosa ho avy anio alarobia sy rahampitso alakamisy (Carolus, Ibrahim Hamada, Zotsara ary Mamins). 4 kosa ireo mpilalao avy eto an-toerana voaantso (Leda, Toby, Ando ary Mario). “Faly izahay tonga eto an-tanindrazana hiaro ny voninahi-pirenena”, hoy i Faneva Ima kapiteny. Marina fa misy ireo izao vao nanitsaka ny bozak’i Mahamasina, izay mila tondrahana aloha ankehitriny, fa manantena ny fanohanan’ny mpijery baolina Malagasy izahay ary mampanantena fa hanao izay faran’ny herinay handresy ny Senegaley sy hampiseho lalao tsara ho an’i Mahamasina. Voninahitra lehibe ho an’ny Barea, hoy i René Dupuis mpanazatra ny handavo ny “mondialiste Sénégalais” na dia ny lalao hifanandrinana amin’ny Guinée Equatoriale amin’ny oktobra aza no tena lehibe amin’ity fifaninanana ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT