Sport

Barea CHAN Tsara kokoa raha mandresy


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Raha te ho voalohany, hoy Roro Rakotondrabe mbola tsy vita ny ady, hoy Roro Rakotondrabe mpanazatra ny Barea taorian’ny fanazarantena omaly.

Manaiky izy fa raha maharesy Ghana i Soudan dia tafita amin'ny 1/8 ny Barea. Saingy tsy mionona amin'izay tranga izay ny mpanazatra fa mila mandresy an'i Soudan isika, hoy izy raha tafaresaka taminay. Mazava ihany ny resaka satria raha voalohany mantsy dia tsy mihaona amin'ny Alzerianina izay mety voalohany ao amin'ny vondrona misy azy. Na inona no mitranga anefa dia tsy maintsy miatrika. Ny tombony aloha dia salama tsy misy maratra ireo mpilalao 24 izay tena mirary hina. Io firaisankina io koa no tombony ho an'ireo Barea ireo. Ireo mpanao gazety ao amin'ny Canal Plus aza dia niaiky fa tena mahay ireo mpilalao ireo, ary tena nandoka an'i Tsiry sy Rakoul ary Nina. Efa Lasa ihany ny resaka ka tonga amin'ny hoe tokony amin'ireto mpilalao ireto no handrafitra ny Barea lehibe. Nalaina ohatra moa ny Ethiopia izay nandresy ny ekipan'i Nicolas Dupuis tamin'ny isa mavesatra 5 noho 1 nefa dia mpilalao. ao an-toerana ny 70 isan-jato. Dia Mbola Ireo izy hita aty Alzeria Izao Indray. Ny fanomanana sy ny tsy fanaovana antsirambina amin'ny fifantenana ireo mpilalaontsika no tena anton'ny fahombiazana. Raha ireo olon'i Roro Rakotondraibe amin'izao aloha dia ho mora n'y ahazoana ny medaly volamena amon'ny Lalaon'ny Nosy. Aleo hatreto ihany fa ny faniriana dia mba ho lasa lavitra ny omby N'y azo antoka aloha dia tsy maintsy hisy hividy ireo mpilalao sangany mandrafitra ny Barea. Ny heno aloha hatreto dia mety hiverina hifampiraharaha amin'i Nina indray ny klioba any Strasbourg.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT