Sport

BAREA CHAN Rava ny nofinofy ho any Cameroun


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2019

Rava ny nofinofin’ny Barea Chan ho any Cameroun amin’ny 2020 fa resin’ny Brave Warriors Namibiana tamin’ny isa 2-0 be izao izy ireo

 

 

 

tamin’ny lalao miverina hahafahana miatrika ny fifaninanam-bondrona CHAN 2020 hotontosaina any Cameroun tamin’ny sabotsy 19 oktobra teo tany amin’ny kianja iray any Windhoek. Baolina matin’ny Namibiana teo amin’ny minitra faha-11 sy minitra faha-48 no nanakana ny dian’ny Barea Chan Malagasy. Tsy hain’ny mpilalaon’i Franklin no nihazona ny tombon’isa efa azo taty amin’ny lalao mandroso. Na inona ho filaza na inona dia nihintsana indray aloha  ny Barea. Azo heverina fa mila manatevina fahalalana mikasika ny “Football total” izay hampiharin’ny ekipa rehetra maneran-tany ankehitriny ireo mpanazatrantsika mihondinkondina manazatra an’io Barea io fa tsy ho variana amin’ny kitikitika Breziliana mahavalalanina fotsiny sy ny famerenam-baolina any aoriana matetika. Tokony hifantohan’ny fanazarana ihany koa ny famonoam-baolina antoky ny fahatafitana amin’ny fifaninanana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT