Sport

Barea CHAN Miverina mijoro i Datsiry


  • Zoma 27 Janoary 2023

Vaovao mahafaly no voaray avy any Constantine - Alzeria satria dia efa mandray anjara amin'ny fanazaran-tena i Datsiry izay voadona teo amin'ny kitro keliny nandritry ny lalao nifanaovana tamin'i Soudan.

Tena azo lazaina fa sitrana tanteraka ity gonan'Amparafaravola ity, ampy sokay tsara satria nobeazina tamin'ny besisika. Izany eo ihany fa ny tena mahafaly dia ny mahita ireo sokajiana ho mpisolo toerana tena tongatonga. Nety tamin'i Roro ilay mitarika 3 noho 0 satria nahafahany nitsapa ireo mpilalao fiandry. Ary matoa tsy nidiram-baolina nandritry ny fizaram-potoana faharoa iny dia nahavita ny andraikitra nankinina aminy i Ando Rakapy izay nasolo an'i Datsiry ary tsy latsa-danja koa ny nasehon'i Donga. Ity faran'ny izay heverin'i Faneva Ima fa irakiraka tsara indrindra eto Madagasikara dia tena mahafehy tokoa ny asany saingy eo amin'ny vatana no nahatonga an'i Roro handahatra an'i Rojo Be avy ao amin'ny Ajesaia izay tena mandravarava tokoa ka voanjo latsaka sida no tonga any amin-dry Berajo sy Datsiry. Tany aloha Indray dia tena nanao tokoa i Dôdy JET Mada na dia tsy ampy metatra aza. Kely fa dada no azo hiantsoana an'ity zandry kely ity izay lasa CFFA koa fa nihemotra tamin'ny ora farany. I Carlos dia tsy nisy handrefesana loatra ny zava-bitany ny ,folo minitra faran'ny nidirany. Na izany aza dia heverina fa hahavita zavatra tsara ihany izy toy ny efa namonoany baolina tany amin'ny fifanitsanana. Na izany aza araky ny fiteny mahazatra hoe tsy soloina ny ekipa mandresy dia azo antoka fa ireo nandresy Ghana sy Soudan niditra voalohany ireo ihany no ho hita ny sabotsy izao amin'ny valo ora alina. Ho fampatsiahivana fotsiny dia ho, toy izao ny firafitry ny Barea manao 4-3-3. Nina- Tantely, Datsiry Berajo, Dadafara- Lalaina, Dax, Rojo- Rakoul, Jean Yves, Tsiry .
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT