Sport

Barea CHAN Mety ho lasa koa i Nina


  • Alarobia 22 Febroary 2023

Taorian'i Rakool dia mieritreritra haka an'i Nina Razakanirina ilay mpiandry tsatokazo, ny Mouloudia Club d'Alger.

Handeha hifindra any Arabie Saoudite koa mantsy ny mpiandry tsatokazo tompon-toerana ka izay no mahatonga ireto Alzerianina ireto hitodika any amin'i Nina .Mazava ho azy fa na mbola tsy niloa-bava aza i Nina dia fantatra fa tsy maintsy hanaiky ity tolotra vaovao ity satria dia mety tsy mifanalavitra amin'ny azon'i Koloina Razafindranaivo no ho azony izay 34 tapitrisa ariary isam-bolana. Na ny Elgeco Plus izay fantatra fa tena manankarena aza dia ho sarotra aminy ny handà. Ataon'i Alfred Randriamanampisoa ahoana ny tsy handray ny sandan'ny fifindrana mitetina 50 000 euros raha misy izany. Mety ho vitan'ity solombavambahoaka an'Antsirabe 2 amin'izay ny lalana mankany Tritriva sy ny manodidina angamba.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT