Sport

Barea CHAN Matihanina ireo voafantina


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Azo lazaina ho matihanina ireo mpilalao voafantina hiatrika ny fifanintsanana ahazoana ny tapakila hihatrehana ny CHAN 2023,

raha ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea CHAN tamin’ity no asiana resaka. Ireo mpilalao amina klioba mandray anjara ao anatin’ny OPL na Orange Pro League avokoa no nofantenan’ny mpanazatra Félix Romuald Rakotondrabe na Rôrô. Eo amin’ny mpiandry tsatoby no ahitana an’I Rakotohasimbola Zakanirina, mpilalaon’ny Elgeco Plus, Andriamalala Andoniaina, Disciples FC. Eo amin’ny vodilaharana; Safidinomenjanahary Naurah E., CFFA. Razafindraibe Rajo, Jet Kintana. Naina Theo Urbain, COSFA. Rafanomezantsoa Dieudonné, CFFA. Randrianiaina Tantely Antoine, Disciples FC. Randrianiaina Tantely Antoine, Disciples FC. Rakotonirina Jean Martin, Elgeco plus. Eo afovoanin’ny kianja kosa no ahitana an-dry Rakotondrazaka Ando, Disciples FC. Rabarijaona Tantely Avotriniaina, CFFA. Ramahandrison Niaina Tsilavina, Elgeco Plus. Rafanomezantsoa Lalaina, CFFA. Andriamanjato Rojolalaina, Ajesaia. Rakotoarisoa S. Jean Aimé, Elgeco Plus. Randriatsiferana Toky Olivier, Fosa Juniors. Andrianarimanana A. Aro Hasina, Fosa Juniors. Hasinirina Onjaniaina Patrick, Elgeco Plus. Eo amin’ny lohalaharana no ahitana an-dry Ravelomanantsoa Mario Carlos, CFFA. Razafindrakoto Jean Yvon, Fosa Juniors. Fanomezantsoa Tsilavina, Fosa Juniors. Razafindranaivo S. Koloina, CFFA. Randrianarijaona T. M. Mataniah, Disciples FC. Razafimaro Fenohasina Gilles, Ajesaia. Tsiahivina fa ny CHAN na « Championnat d’Afrique des nations » moa amin’ny maha fiadiana ny tompondakan’i Afrika azy dia natokana indrindra ho an’ireo mpilalao anatiny na « local », hoy isika, mba ho fampivoarana ihany koa ny fifaninanam-pirenena ao amin’ilay firenena. Ny CAN kosa amin’ny maha fiadiana ny amboaran’i Afrika azy dia azo hifantenana ireo mpilalao heverina fa mendrika indrindra hiaro ny voninahi-pirenena na mpilalao anatiny io na avy any ivelany na ilay antsointsika hoe “expatriés”.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT