Sport

Barea CHAN Mahavelom-bolo ny tohiny


  • Talata 17 Janoary 2023

Manana herijika hiatrika ny ampahavalon-dalana ny Barea CHAN taorianan'iny fandresena miezonezina manoloana ny Ghana ny alahady Téo tao amin'ny kianja Chaud Hamlaoui tao Constantine.

Tsara iny vokatra iny hoy Roro Rakotondrabe. Ary vao maika aza tsara satria tsy tonga ry zareo Maraokanina. I Soudan izany sisa no miandry an'i Tantely sy ny namany Mila mandresy anefa hoy Roro Rakotondrabe Raha te hihaona amin'ny faharoa avy amin'ny Vondrona A Raha esorina mantsy Alzeria tompotany dia mety n'y iray amon'ny Ethiopia sy Mozambika sisa. Ny zoma teo amin'ny lanonam-panokafana mantsy dia resin'ny Alzeria 1 noho 0 ry zareo Libya. Baolina matin'i Aimen Mahous tamin'ny penalty Io. Izany somary sahirana ihany ny Alzerianina. I Mozambika sy Ethiopia kosa dia nisaraka Ady sahala samy tsy nisy nitoko. Vonono ny Barea hoy ihany Roro Rakotondrabe Izay tena faly satria saika mpilalao avy tao amin'ny Adema Ireo vodilaharana ahitana an'i Nina mpiandry tsatokazo, Datsiry Dadafara ary Tantely. Ny tany aloha indray dia niantehitra tamin'ireo mpilalao efa zatra miaraka Izay ka mety Ireo tolotra tranokala mahavalalanona iretsy andaniny. Tao ohatra ny mpilalaon'ny Fosa tarihin'i Dax Izay niverina amin'ny heriny ka araka manolotra tsara Ireo namany n'a Tsiry n'a Jean Yves. Taty amin'ny sisiny Indray Dia niavaka i Lalaina sy Rakoul samy CFFA fa mifankahita anaty ady. I Rojo be Ajesaia sy ny vatabeny sisa no manao rindrina voalohany eo anoloan'i Berajo. Mafy ity ekipa ity raha izao filahatra izao, fa ny fanontaniana dia ny hoe oviana ny Barea A an'ingahy Dupuis no mba hitsapa dona amin'ireto boay kely manohitra ireto. Mety hahafinaritra a ?
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT