Sport

Barea CHAN Hilalao any ivelany Rakool sy Rojo Be


  • Talata 31 Janoary 2023

Tsy niandry ela fa misy amin’ireo omby mandrafitra ny Barea A’ miatrika ny CHAN any Algérie sahady no lafo ka hila ravinahitra any ivelany. Nanakoako omaly ny vaovao momba an-dRakool na Koloina Razafindranaivo,

izay ofisialy ny fividianan’ny Klioba divizionina voalohany Alzerianina Mouloudia Club d’Alger azy, ary efa vita ny soniam-pifanarahana. Hilalao ao amin’ny Mouloudia mandrindra ny 3 taona izy, izany hoe: amin’ny taona 2026 vao tapitra ny fifanarahana. Maro ny klioba nitsitsiritra azy, toy ny Al Alhy atsy Egypte. Ity mpilalao Malagasy vao 23 taona ity no mpilalao mendrika sy misongadina indrindra tamin’ny lalaom-bondrona tamin’ity fifaninanana kaontinantaly ity, ary ny tenany rahateo hatreto no mpampidi-baolina be indrindra satria efa namono baolina telo. Efa mpilalaon’ny Five FC Analamanga I Rakool ary ny CFFA Andoharanofotsy no nilalaovany faranyy teto an-tanindrazana, ka izy ireo tompondakan’I Madagasikara farany teo. Momba ny Mouloudia izay kliobany vaovao kosa, dia laharana fahatelo vonjimaika ao amin’ny fifaninanam-pirenena izy ireo amin’izao. Tsy vao sambany moa no nisy teratany Malagasy nilalao tao amin’ny Moloudia Club d’Alger satria efa nandalova tao i Carolus sy Ibrahim Amada, izay samy mpilalaon’ny Barea Madagasikara. Ankoatra an’I Rakool, hilalao ao amin’ny Saint-Pauloise FC atsy La Reunion ihany koa I Rojolalaina Andrianjatovo na Rojo Be, ilay laharana faha-6 an’ny Barea CHAN, raha ny fampahafantarana efa mandeha, ary voalaza fa efa nitsodrano azy ny AJESAIA. Hiara-hilalao amin’I Voavy Paulin izany ny tenany. Mody ventiny ny rano nohatsakaina, ary inoana fa tsy hijanona amin’izy mirahalahy ireo ny mpilalaon’ny Barea CHAN handeha hifindra lasy any ivelany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT