Sport

Barea CHAN Diso kajy ve i Berajo sa… ?


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

Asa aloha na ho raikitra na ho tsia fa dia misedra fitsapana ao amin'ny klioba Swift Hesperange any Luxembourg i Razafindrabe Rajo na Berajo.

Safidy izay mandiso fanantenana ihany satria ambany ny lentan'ny baolina kitra any amin'ity firenena ity satria voakilasy faha 42 izy amin'ireo fifaninanana fiadiana ny tompondaka miisa 55 any Eoropa. Ekipan'i Hakim Abdallah (Barea) taloha izay tsy zoviana amin'ny mpitia baolina kitra ary tsy naharesy lahatra ny maro afatsy Nicolas Dupuis angamba izay mbola mety ao ambadika izao fifindrana Izao. Tena naman'i Plâtre ilay mpilalao tao amin'ny St Michel koa ny mpitantana ity Swift Hesperange ity ka mety misy hidirany koa izao fifanarahana izao. Na izany na tsy izany aza, na ho raikitra na tsia satria mandritry ny herinandro ny fitsapana, dia heverina fa tokony ahita ekipa tsaratsara kokoa i Berajo noho ny fahafehezany ny toerany izay vodilaharana afovoany. Ny tsy azo lavina satria toerany voalohany ao amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Luxembourg, dia tsara lavitra noho ny azony ao amin'ny JET Kintana ny vola ho azony. Ao indray izy manao izay mety mba ahitan'ireo klioba vaventy hafa any Eoropa.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT