Sport

Barea CHAN 2020 sy Barea JIOI 2019 Mbola hihaona fanindroany amin’ny alahady heriny


  • Alatsinainy 08 Jolay 2019

Ady sahala 0-0 no nisarahan’ny Barea andeha hiatrika ny fifanintsanan’ny CHAN 2020 sy ny Barea JIOI 2019 notsapaina tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina omaly alahady 07 jolay 2019.

 

 “Hita ho mbola matahotahotra miseho vahoaka ny ankamoroan’ireo mpilalaontsika na ny an-daniny, na ny an-kilany, hoy ny Dtn –ny Federasiona Dhebon Jean François, tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana tetsy Mahamasina omaly. Antenaina fa amin’ny lalao famerenana hifanandrinan’izy ireo, eto Mahamasina ihany, amin’ny alahady heriny 14 jolay 2019 izao, hoy izy, dia hampiseho lalao tsaratsara kokoa noho io ireto mpilalao ireto sady efa fantatra koa amin’izay ireo mpilalao raikitra handrafitra ny Barea CHAN 2020”. Marihana anefa fa tao anatin’ny mpijery baolina nanify dia nanify toy ny mahazatra etsy Mahamasina no nananterahan’ny roa tonta izany lalao omaly izany. Hita ho tsy mbola ao koa ny teknika famonoam-baolina ho an’ny roa tonta fa ny famezivezena ny baolina no azo ambara fa efa mba masaka tsara. Antenaina anefa fa tsy handraraka ilo mby an-doha fa hanara-dia an’ireo Barea zokiny any Egypte ireto Barea CHAN 2020 sy Barea JIOI 2019 ireto.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT