Sport

Barea-CAN beach soccer Farahafaratsiny tapakilan’ny tompondaka eran-tany


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Nanainga omaly alahady 16 oktobra nihazo an'i Mozambika ny Barean'i Madagasikara sokajy “beach soccer” na baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika,

hiatrika ny fiadiana ny amboaran'i Afrika izay hatao ny 21-28 oktobra izao. " Vonona ny ekipam-pirenena hiaro ny voninahi-pirenena. Hanao izay faraheriny ireo mpilalao mba hahafahana mitondra mody indray ny amboara tahaka ny tamin'ny taona 2015. Farafaharatsiny mba tafakatra amin'ny famaranana izay ahafahana mahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany", hoy ny mpanazatra Ramarolahy Solofotsiavahana. Henjakenjana ny lalao miandry antsika ao anatin’ny Vondrona D, izay ahitana an'i Ouganda, Sénégal ary Égypte. Naneho anefa ny mpanazatra fa azo atao tsara ny mandresy ireo mpiray vondrona ireo raha ny nambaran'ny mpanazatra hatrany. Nanolotra lelavola 15 tapitrisa ariary ho fanampiana ny Barea beach Soccer moa ny orinasa iray amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT