Sport

Barea- Black Stars Nisaraka samy tsy nitoko


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Tody tamin'ny tanjona niriany i Roro Rakotondrabe mpanazatra ny Barea.Nisaraka samy tsy nitoko mantsy ny roa tonta.

Ary vao nitsoaka ny kiririoka ny mpitsara avy any Maorisy dia hita fa hiezaka hitazona sahala ireto Barea ireto. Hita sy tsapa izany teo amin'ireo mpilalao sy firafitry ilay 4-4-2. Tsara fiarovantena ny Barea omaly nahitana an'i Nina mpiandry tsatokazo I Fabien Boyer sy Berajo no teo aloha ary Ando Manoelantsoa sy Baggio samy mpilalao avy atsy La Réunion no rindrina voalohany Tany amin'ny sisiny roa no nahitana an'i Lalaina sy Tendry Tany aloha no nisy an'i Dorian sy Carolus. Ity farany no tena saika nahafaty baolina (66) saingy tsy nanitsy ny tsatokazo nefa efa izy sy ilay mpiandry tsatokazo sisa Nanao ny tsy nambinina no tena marina fa efa tsara aza saingy tsy fantatra izay nahazo an'i Roro fa nosoloiny indray i Ando Pro sy Lalaina nampidirana an'i Amada sy Zotsara (60). Tsy nisy fanafihina vanona hatreo fa vao maika moa nampidirina indray i Hakim Abdallah. Mety hanatsara tarehimarika angamba fa iny omaly iny no lalao fahafito nataony nefa mbola tsy nampiditra baolina izy hatramizao Asa loatra re fa nisy Feno Ajesaia tao ary nisy an'i Tsiry kely fa efa fotoana fanampiny ity mpilalaon'ny Fosa Juniors namolo an'i Tendry. Andriamanitra tsy ratsy angamba fa tena nampatahotra ny baolina nandritry ny fizarana faharoa iny rehefa nampidirina i Amada sy Zotsara ary Hakim. Ny lalao hihaonana amin'ny Angola sisa handrasana raha tena hanova zavatra i Roro Rakotondrabe. Ny fahitana an'i Rayan Raveloson na tsy niakanjo dia efa tena mahavelom-bolo. Ny fanontaniana dia ny hoe mba natao mitovy tamin'ny karaman'i Nicolas Dupuis ve ny any Roro Rakotondrabe ? Olona efa tao daholo ireo nalahatra ireo nefa nahavitana nitazona an-dry André sy Jordan Ayew. Fehiny mahay noho i Vazaha Be ity Roro Rakotondrabe ity Tokony miezaka anefa izy tsy handahatra ireo mpilalao efa tsy maharesy lahatra ny mpijery eo Mahamasina.
Clément RABARY

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT