Sport

Barea any Egypte Mitantara ny zava-nisy natrehany ny mpanao gazety Malagasy


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Maromaro ihany ny zava-nisy natrehan’ireo nanatri-maso ny fandraisan’anjara voalohany nataon’ny Barean’i Madagasikara amin’ny lalao CAN “Coupe d’Afrique des Nation” any Egypte

tamin’ity taona 2019 ity.Hosinganintsika amin’izany ny nambaran’ny mpanao gazety mirahalahy efa nanotrona ny Barea tany Egypte hatramin’ny niandohan’ny CAN 2019 ka hatramin’ny lalao ampahavalon-dalana.

Daniel Andriamaro (RNM) :

“Anisan’ny fototry ny disadisa teo amin’ny mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara  sy ny mpitantana ny baolina kitra Malagasy ny resaka “prime de qualification” izay nataon’ny mpitantana teo aloha tsinontsinona ny fandoavana azy tamin’ireto mpilalao ireto. Nandanian-dRtoa Atallah Beatrice, filohan’ny “Comité de Normalisation FMF”fotoana mihitsy tany Alexandrie any Egypte  ny fanazavana  an’ity resaka ity tamin’ireo  mpilalao. Nahatratra adiny 4 ny fitondrana fanazavana ny mahakasika an’io resaka “prime” io  tamin’ny talata 02 jolay teo ka nahafantarana fa efa naloan’ny CN ny 107 tapitrisa euros “50 %”-n’ny “prime” niaraka tamin’ireo fanampiana nomen’ireo mpanohana maro samihafa. Vita tamin’io andro io ihany koa ny fanaovan-tsoniam-pifanarahana ny handoavana amin’ny Barea ny “prime de performance” arakaraka ny fiakaran’izy ireo amin’ny dingana isan-tsokajiny amin’ity CAN 2019 ity ka arakaraka ny hanomezan’ny CAF azy no tonga dia handoavan’ny CN an’izany. Afaka nilalao tamim-pilaminana sy tamin’ny fo tony tamin’izay nanomboka teo ireo mpilalaon’ny Barea ary samy namoaka ny heriny avokoa. Tena herin’ny mpilalao Malagasy ka nahazoany ny vokatra tsara hatreto ny fiaraha-mientana sy ny fanaovana “Jeux Collectif”

 

Daniel Andriamaro

 

Randriamamonjisoa Louis de Gonzague (Inona ny vaovao)

« Mbola niatrika am-pitoniana tsara ny lalao voalohany natrehany tamin’ny fifaninanana CAN ny Barean’i Madagasikara raha nihaona tamin’ny Syly avy any Guineana tamin’ny 22 jona 2019 lasa teo ka nahita ady sahala 2-2. Nametraka « pression » lehibe ho an-dry zareo kosa ny fihaonana tamin’i Burundi teo amin’ny andro faha-2 natrehany satria  tena « match decisif » ho azy ireo iny lalao iny fa raha tsy naharesy teo dia voatery tsy maintsy nikarakoka fandresena tamin’ny lalaom-bondrona farany vao mety ho tafita amin’ny dingana manaraka. Iny fihaonana tamin’ny Burundi iny no mafy indrindra hatreto ho an’ny Barea satria tao anatin’ny hafanana be andro atoandro koa no nanatanterahana azy. Nambaran’i Abel Anicet fa fanamby tsy misy kajikajy no nentin-dry zareo Barea niatrika an’ireo lalao natrehany ka ny fandresena hatrany no ao an-doha, tsy natahotra n’iza n’iza  satria efa tsy nanana « stress » intsony ».

 

 

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT