Barea

Any Angers no mety fanavotana


  • Alakamisy 04 Janoary 2024

Ny klioban'ny SCO Angers izao no tsara toerana indrindra hiakatra ligy 1 any Frantsa.

Ao anefa no milalao i Lois Diony izay efa maneho fihetsika ny ombalahy rehefa avy mamono baolina. Izy rahateo no mpamono baolina betsaka indrindra ao amin'ny diviziona faharoa io. Ny fantatra aloha dia avy any Martinique ny tovolahy saingy tsirin-kevitra avy any amin'ny Lilian Raolison izay mpilalao ao Angers koa no mahatonga an'ireny. Ary rehefa arahina ny tantara dia mbola misy an'i Fabien Boyer koa efa nilalao tao amin'ity klioba ity. Raha atao vodilaharana afovoany miaraka amin'i Andy Pelmard izany i Fabien Boyer dia Kenji Van Boto no ilany havia ary azo apetraka amin'ny ilany havanana i Lilian Raolison izay voahosotra ho mpanome tolotra tsara indrindra nandritra iny 2023 iny. Mbola vao 23 taona moa izy noho izany azo antoka handimby an'i Romain Metanire izany nody any Etazonia namonjy ny vady aman-janany ka mety tsy manana klioba intsony rehefa niala tao amin'ny RFC Seraing tany Belzika. Ny mpiandry tsatokazo izany sisa tsy milamina raha tsy hoe efa velona i Nina. Ny eo afovoany moa raha mandeha tsara ny sera dia ho avy Francis Coquelin izay milalao any Espagne. Izy moa dia irakiraka ao amin'ny Villareal ary tena eo amin'ny heriny fa mbola vao 32 taona teo. Miampy ireo dia misy an'i Njiva Rakotoharimalala sy Loic Lapoussin izay samy mamiratra any amin'ny klioba hilalaovany. Ary izao no miampy an'i Lois Diony izay tena mipetraka ho lohany dia tena azo antoka fa tsy handresy antsika na i Mali na ny Comores. Izany hoe malalaka ny lalana. Anjaran'i Roro Rakotondrabe sisa no mandresy lahatra ireo ary aleo aza izay no zavatra hataony any Eoropa toa izay hitety sy hijery ny fomba fanao any Paris FC, Brest ary RC Lens. Ny fanjakana sisa no antenaina mba mahafoy vola be hanangana Barea afaka mitahy amin'ny firenena mantajaka eo amin'ny lafiny baolina kitra.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT