Barea an’i Madagasikara

Ny mpiandry tsatokazo no olana


  • Alakamisy 11 Janoary 2024

Mbola miketrika mafy i Roro Rakotondrabe hitady mpiandry tsatokazo

amin'ireo lalao ara-pirahalahiana roa ny volana martsa izao. Fantatra aloha fa efa mandroso ny fifampiresahana amin'ny Bafana Bafana atsy Afrika Atsimo sy ny RD Congo saingy mbola baraingo hatreto ny hajoro ho mpiandry tsatokazo. Ny heno aloha dia efa mihatsara i Nina fa tsy fantatra raha afaka hajoro izy. Taorian’ny fahavoazan'i Melvin Adrien indray dia tonga any amin'i Mathias Randriamamy ny resaka. Izy moa dia milalao any amin'ny Ermis Aradioppou, diviziona faharoa any Chypre saingy hatreto aloha dia mbola tsy tompon-toerana. Raha ny fanavazan'i Roro anefa dia tsy maintsy jerena ny haavo teknikan'ilay fifaninanana sy ny fotoana hilalaovany . Raha izay anefa no jerena dia kely dia kely ny ahatonga an'i Mathias ho tompon-toerana ao amin'ny Barea. Ny vaovao hafa anefa dia ny fahatsapana fa ho tena avo lenta amin'izay ireo handrafitra ny Barea amin'izao. Ny vodilaharana aloha avy any ankavia miankavanana dia ahitana an'i Kendji Van Boto, Thomas Fontaine, Andy Pelmard (Berajo), ary Romain Metanire. Ny irakiraka indray dia misy an'i Rayan Raveloson, Marco Ilaimahiratra ary Francis Coquelin. Ny telo any aloha raha mandry ny resaka dia Loïc Lapoussin, Lois Diony ( Ludovic Ajorque) ary Njiva ( Tendry). Ireo aloha no hevitry ny maro sady mety hevitry ny mpanazatra ihany koa satria tsy mbola nanana mpilalao toy izao ny Barea hatramin'izay.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT