Sport

Barea an’i Madagasikara Mendrika hiatrika ny CAN 2019


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2018

Lavon’ny Barean’i Madagasikara 1-0 ny Nzalang Nacional Guinée Equatoriale tamin’ny sabotsy 13 oktobra teo tany amin’ny kianja Nkoantoma any Bata Guiné Equatoriale teo amin’ny andro faha-3

 

 

 

lalao mandroson’ny fifanintsanam-bondrona A hahazoana miatrika ny CAN andiany faha-32 hotontosaina any Cameroun amin’ny taona  2019. Baolina matin’i Faneva Ima teo amin’ny minitra  faha-18 avy amin’ny tolotra nomen’i Voavy Paulin no niantoka ny fandresen’ny Malagasy. Rahampitso talata 16 oktobra eny amin’ny kianja sentetikan’i Vontovorona ny lalao miverina. Araka ny vaovao ofisialy azo avy any Guinée Equatoriale omaly anefa dia fantatra fa tsy afaka nanainga ny fiaramanidina manokana tokony hitondra ny Ekipa roa tonta ho aty Madagasikara noho ny olana eo amin'ny taratasy fahazoan-dalana hisidina ny habakababak’i Tanzania. Efa niara-nisalahy nitady vahaolana miaraka ny Gineana ny FMF avy aty Madagasikara mba ahafahan'ny fiaramanidina ho tonga haingana eny Ivato. Voalaza fa ambony tanteraka ny moralin'ny mpilalao Malagasy mandra-piandry ny ahafahan'ny fiaramanidina miainga.Ary miray fo ny mpilalao sy ny Malagasy fa kely sisa dia tafita amin’ny CAN 2019 ny Barea ary mendrika azy ireo tokoa izany raha dinihana ny ezaka sy fivoarana vita tato anatin’ny herintaona fotsiny.

Voka-dalao hafa  teo amin’ity andro faha-3 ity :

 

Vondrona A ihany :  Sénégal – Soudan 3-0

Vondrona B : Maroc – Comores 1-1, Cameroun – Malawi 1-0

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT