Barea A

Ho tonga i Titouan Safidy


  • Alarobia 23 Aogositra 2023

Niantso mpilalao tanora vao eritrerony ihany i Roro Rakotondrabe ela ny ela.

Ho avy hanatevin-daharana ny Barea hihaona amin'ny Angola tokoa mantsy i Titouan Safidy ilay kapitenin'ny FC Nantes U20. Matoa nataon'ny Nantes kapiteny ity zandry kely ity dia efa tena mahafeno ny fepetra rehetra indrindra ny toerana misy azy eny ambony kianja. Vodilaharana havia no misy an'i Safidy, toerana tsy dia mila halavana loatra fa na izany aza dia mirefy 1m78 izy ary milanja 72 kilao. Tena ao tsara fa ny fahaizany miaraka amin'i Berajo sy Fabien Boyer sisa. Ity farany moa na dia milalao any La Réunion aza dia nanda ny fiantsoan'i Jean Pierre Bade azy handrafitra ny ekipa voafantin'io nosy io fa dia nanaiky ankitsi-po hilalao miaraka amin'ny Barea mandritry ny Lalaon'ny Nosy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT