Sport

BAREA


  • Alarobia 18 Novambra 2020

Mbola afaka manao tsara kokoa

 Nisaraka ady sahala 1-1 ny Barean’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire nandritra ilay lalao lehibe nandrasan’ny Malagasy omaly, andro faha-4 amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2022. Ny Ivorianina no nanokatrak ny isa voalohany teo amin’ny Minisitra faha-15 tamin’ny alalan’ny penalty, rehefa nandray baolina tao anaty faritra tsy azo hivalozana i Jeremy Morel. Tsy tena tafiditra mihitsy tamin’ny lalao ny Malagasy, raha toa ka nanindry mafy ny Ivorianina teo amin’ny fizarana voalohany. Teo amin’ny minitra faha-6 sy faha-8 dia efa nahita fanafihana tsara ny vahiny. Nanindry tanteraka ny Ivorianina izay nanana fanafihana maro, raha toa ka tsy nahita fanafihana sy daka mifanandrify amin’ny tsato-by (tirs cadrés) mihitsy isika tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Niova ny lalaontsika teo tamin’ny fizaram-potoana faharoa, ka voasahalan’ny Kapiteny Ibrahim Amada tamin’ny alalan’ny daka mandrivorory avy any ivelan’ny faritra tsy azo hivalozana ny baolina teo amin’ny minitra faha-51. Nifamaliana ny fanafihana, saingy tsy nisy nahatafiditra baolina intsony isika na nanala an’i Paulin sy Rayan ary nampiditra an’I Loïc Lapoussin sy Sylvio Ouassiero tany amin’ny faha-75 minitra, ary nanala an’I Carolus sy nampiditra an’I Alexandre Ramalingom tany amin’ny minitra faha-88. Tsikaritra ho somary nitongilana tany amin’ny Ivorianina ny mpitsara, izay tsy dia nitsoaka ny kiririoka teo anatrehan’ny hadisoana sasany nataon’ny mpifandrina tamintsika. Nananao fahadisoana izay tokony nahazoantsika penalty ny Ivorianina teo amin’ny minitra faha-73, saingy navadika ho tombony ho azy ireo.

MBOLA TSARA TOERANA ISIKA, AFAKA MANAO TSARA KOKOA

Nahazo isa 1 avy i Madagasikara sy Côte d’Ivoire taorian’ny lalao omaly ka samy manana isa 7 avy ao amin’ny Vondrona K. Nandresy an’i Niger 3-0 kosa i Ethiopie omaly, ka nahazo isa telo nampiakatra ny isany ho 6, izany hoe izy no fahatelo hatreto. Mbola afaka manao zavatra tsara kokoa isika any amin’ny andro fahadimy sy fahaenina satria I Côte d’Ivoire no heverina fa mafy ao amin’ny Vondrona K, saingy nahafantsika nahazo isa iray. Lalao roa no miandry an’i Madagasikara dia ny fifanandrinana amin’i Ethiopie any an-taniny sy ny fandraisana an’i Niger eto an-tanindrazana izay lalao hifanakaiky eo anelanelan’ny 22-30 martsa 2021 no hanaovana azy, raha tsy misy ny fiovana. Samy nivoatra ireo, saingy ambony ny fanantenantsika handavo azy roa ireo na fandresena tokana aza, dia ampy hiakarantsika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT